Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Avrily, 2014
Molhem Barakat: Tanora Mahery Fo Lavo Tao Siria
Araka ny vaovao dia nisy namono i Molhem Barakat, mpaka sary tsy miankina niasa ho an'ny Reuters, raha toa ka nitatitra ny ady nisy teo amin'ny fanjakan'i Bashar Al-Assad sy ireo mpikomy tany amin'ny Trano Fitsaboana Al-Kindi ao Aleppo. 18 taona monja izy.
Taorian'ny Iray Maty, Matahotra Ny Mety Hanjò Ireo Nalaina An-keriny Efatra Ambiny Ny Iraniana
Nalain'ireo mpikomy ao akaikin'ny sisitanin'i Iran-Pakistan ireo miaramila dimy tamin'ny volana Febroary ary fantatra fa namoy ny ainy ny iray tamin'izy ireo, Jamshid Danaeifard. #FreeIranianSoldiers (Avotsory ireo Miaramila Iraniana) hoy ny Iraniana tao amin'ny Twitter.
Fikasana Hampihorohoro? Nafahan'i Sri Lanka Ireo Mpikatroka Mafàna Fo Mpiaro Ny Zon'olombelona
Voasambotra i Ruki Fernando sy Praveen Mahesa ny 16 Martsa 2014 ary nampangaina ho nivarotra vaovao tany ivelany, sy nikasa ny hanakorontana ny fandriampahalemana nisy teo amin'ny firenena sy teo amin'ireo vondrom-piarahamonina, ary nanampy sy niray tsikombakomba tamin'ny fananganana indray ny Tamil Tigers (Tigres Tamouls)