· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Janoary, 2013

Malazan'ny Media Sosialy: Taorian'ny Kabarin'i Assad

Ao anatin'ny fiaraha-miasanay amin'i Syria Deeply no iarahanay mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana, ka ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady.  An'arivoarivony ny Syriana mampiasa ny fitaovan'ny media sosialy tahaka ny Facebook, Twitter, YouTube ary ny Skype hampielezan-dresaka sy iadian-kevitra momba ny gidragidra. Isan-kerinandro...

2012 : Taonan'ny Fikomiana sy ny Fivoaran'ny Fiaraha-monina Any Amin'ny Firenena Mpiteny Frantsay (Frankôfôna)

  11 Janoary 2013

Lasa iny ny taona 2012, ary ho an'ny firenena mpiteny frantsay, irariana ny taona 2013 hitondra filaminana bebe kokoa. Nanamarika ny taona 2012 ny ady mita-piadiana tao Mali, tao amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo (RDC) [mg] sy tao amin'ny Repoblika Afrika Afovoany (RCA), eo koa ireo fifidianana nampisy adi-kevitra goavana tao Senegaly [mg], tao Quebec [mg] sy tao Frantsa [mg], sy ireo...

Alaoita Mpanampy Mpitsabo Miasa Aminà Hopitaly Sionita Ao Syria

Tamin'ny dia namakivaky ny faritra fehezin'ny mpihoko tao amin'ny faritanin'i Latakia, any amin'ny faritra Jebel Turkman, nihaona tamin'i Umyara, 34 taona, izahay, vehivavy iray Alaoita mpanampy mpitsabo miasa eny amin'ny hopitaly ambanivohitra. Tao Latakia, toerana tena mpanohana ny Filoha Bashar al-Assad, efa an-jato taona ireo Sionita sy Alaoita no niara-niaina. Ankehitriny, miaraka amin'ny ady mangotraka ataon'ny fitondrana tarihan'ny Alaoita sy ny Tafika Malalaka Siriana tarihan'ny Sionita ny betsaka, betsaka no matahotra ny mety hiparitahan'ny fifankahalàna eny amin'ireo sivily amin'ny alàlan'ny fitsitokotokona ara-pinoana.

Banda, Filoha Zambiana Teo Aloha Miresaka Ny Fahareseny Tamin'ny Fifidianana 2011

  08 Janoary 2013

Nanambara ny Filoha Zambiana teo aloha Rupiah Banda, avy amin'ny antoko MMD, izay resin'ny filoha ankehitriny, Michael Sata avy ao amin'ny Mandan'ny Tia Tanindrazana (Patriotic Front (PF) tamin'ny fifidianana 2011 fa tsy nanohitra ny valim-pifidianana izy satria tsy tiany hiatrika ady ny firenena, raha toa kosa ka nivonona tamin'izany ady izany...

Nitsoaka Tao Amin'ny Tafik'i Assad Aho Omaly

Ao anatin'ny fiaraha-miasanay amin'i Syria Deeply; miaraka mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana izahay, ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady.. Resadresaka nifanaovan'i News Deeply sy tovolahy iray 20 taona nitsoa-pahanaa tao amin'ny toby miaramilan'ny tafika Syriana ary nanatevin-daharana ireo mpioko ity eto...

F&V Miaraka Amin'i Michel Kilo: Fanantenana Kely Hisian'ny Vahaolana Ao Syria

Iray amin'ireo Siriana mpanohitra manana ny lazany i Michel Kilo, mpanohitra ara-politika ny Filoha Bashar Al Assad. Niakatra ho amin'ny toeram-boninahiny izy tao anatin'ilay Lohataonan'i Damaskaosy, famirapiratan'ny fahalalahana maneho hevitra sy ara-politika nandritra ny fotoana fohy tamin'ny 2000. Nandao an'i Syria valo volana i Kilo tao anatin'ilay revolisiona ary monina miaraka amin'ny fianakaviany any Parisy ankehitriny. Namaly ireo fanontanian'ny Syria Deeply tamin'ny alàlan'ny Skype izy.

Ny Saikanosin'i Sinai”: “Far West” Ejipsiana”?

  Tamin'ny volana Aprily, nosokajian'ny Praiminisitra Isiraeliana Benjamin Netanyahu ho karazana “Far West Baribariana” ny saikanosin'i Sinai ao Ejipta, izay ampiasaina hitifirana balafomanga ao amin'ny fari-dranomasina Eilat. Araka ny filazan'i Netanyahu, ampiasain'ny mpiady Islamista izay tohanan'i Iran ity saikanosy ity mba hampidiran'izy ireo fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna sy hanafihana an'i Isiraely. Tamin'ny volana Aogositra, mpiandry...

Fanazavana Kely Tamin'ny Fahatapahan'ny Aterineto tao Syria

Noho ny fiaraha-miasa amin'ny Syria Deeply no iarahanay mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana, ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady. Nanana fanazavana kely momba ny fahatapahan'ny aterineto tao Syria, izay nampitoka-monina an'i Syria tamin'izao tontolo izao tamin'ny 29 novambra 2012 lasa teo i...