· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Jolay, 2012

Syria: Lazain'ny Mpiserasera Ho Manomboka Ny Fiafaran'ny Fitondrana Bashar

Malaza ny Twitter mikasika ny fanombohan'ny  fihongananan'ny fitondran'i Assad, taorian'ny fipoahana baomba tao Damaskosy izay nahafatesana olona telo mpikambana ambony ao amin'ny presidansan'i Bashar Al Assad. Arwa Damon avy ao amin'ny CNN nitatitra toy izao: @arwaCNN: nilaza ny tafika ao ‪#syria‬ fa fitaovana napetraka tao anatin'ny efi-pivoriana ilay zavatra nipoaka...

Repoblika Demaokratikan'i Congo : Thomas Lubanga, Sazy Maha-be Resaka

  14 Jolay 2012

Ny 10 jolay lasa teo, ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao amin'ny "Cour pénale internationale (CPI)" dia nanameloka ilay Kongole Thomas Lubanga Dyilo higadra 14 taona an-tranomaizina. Izy dia voampanga ho tompon'antoka taminà heloka an'ady tamin'ny fitsimponana sy fandraisana ireo ankizy latsaky ny 15 taona ary nampandray anjara mavitrika azy ireny taminà habibiana ny 1 Septambra 2002 hatramin'ny 13 Aogsitra 2003 tany Ituri, Repoblika Demaokratikan'i Congo (RDC). Tahaka ny maivana ihany ilay sazy raha ny hevitr'ireo mpiondana aterineto marobe.

Vondrona Afrikana Malemy Ho An'ny Firenena Mikambana 53

  13 Jolay 2012

Nikorotandrotana ny taona 2011 ho an'ny kaontinanta Afrikana tamin'ny fisian'ny revolisiona, fikasana hanongam-panjakana ary ny krizy politika mahery setra maro. Saingy nampalahelo moa fa nampiharihary ny hany fara-vitany amin'ny fiatrehany ireny toe-draharaha ireny ny vondron'ny firenena afrikana 53 izay manana ny iraka hanamafy ny fitoniana eo amin'ny faritra sy ny fampandrosoana.

Palestina: Noahafana Ilay Mpilalao Baolina Kitra Mahmoud Sarsak

  12 Jolay 2012

Noafahana ilay mpilalao baolina kitra Palestiniana Mahmoud Sarsak omaly  [10 Jolay 2012]. Namoaka ny sariny fiarahabana  azy tongasoa tao Gaza ny pejy Facebook misy ny ekipa Palestianina. Nosamborina tamin'ny 22 Jolay 2009 izy, raha niezaka namonjy ny ekipany tao avaratry ny sisintany nobodoina, nogadraina i Sarsak nanomboka hatreo ary nosokajiana ho...

Kenya : Antso Firaisankina Taorian'ny Fanapoahana Baomba

  10 Jolay 2012

Andro vitsivitsy monja taorian'ny nanokafana ny Vovonana GV2012 tao Nairobi, nahitana fanapoahana baomba mahafaty sy fakana an-keriny tao an-tanànan'i Mombassa sy Garissa tao Kenya. Ny voalohany volana jolay, tao an-tanàndehibe kenyana ao Garissa, ny andian'olona misarontava namono olona 17 sy nandratra olona 45 tamin'ny alalan'ny fanafihana mita-piadiana sy grenady tamin'ny fiangonana anankiroa.

Syria: Novonoin'ny Jiolahim-boton'ny Fitondrana Ny Renin'ilay Mpamahana Bolongana

Mpamahana bolongana sy  mpikatroka syriana  Marcell Shehwaro, avy any Aleppo, no namoy ny reniny Marina, raha notifirin'ny voakaraman'ny governemanta tao anaty fiara nisy azy vao maraimbe. Miara ory aminy noho izao fahalasanan'ny reniny izao ny mpiserasera manerantany. Avy any Beyrouth, nisioka toy izao ilay mpiara-manorina sy lehiben'ny Fikambanana lehibe Arab Digital Expression,...