· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Avrily, 2012

Mali: Mangina Tanteraka Ny Serasera Ao An-toerana

  10 Avrily 2012

Tototry ny bilaogy, tweet, sy lahatsary avy any ivelany ny tontolon'ny aterineto, somary mangingina kosa ny mpiserasera maliana. Satria iharan'ny fahatapahan-jiro lava matetika ny renivohitra Bamako kanefa tsy misy ny lasantsy tokony hampadehanana ny tobim-pamatsiana herinaratra. Tsy ny fandefasana lahatsoratra arak'izany no vaindoha-draharaha fa ny ahitana vaovao momba ny zava-mitranga ao Avaratra.

India: Ny “Fanonganam-panjakana” Izay Tsy Nisy Mihitsy

  08 Avrily 2012

Omaly (4, Aprily, 2012) lahatsoratra tao amin'ny gazety  Indian Express nitatitra fa nisy ny fikasana hanongam-panjakana nataon’ ireo sampana tafika Indiana roa  tonga tao Delhi tamin'ny alin'ny 16-17 Janoary,  tsy nampandre ny governemanta akory izy ireo tamin'izany. Tsy nanome lanjany  ilay lahatsoratra nivoaka tao amin'ny pejy voalohan'ny gazety Indian Express  anefa ny rehetra...

Serbia: Tsy Fitovian-kevitra Momba ny Fanomezana Haja an'i Draza Mihailovic Indray

Dragoljub Draža Mihailović dia jeneraly tao amin'ny Tafika Yogoslavy tany an-toerana, nalaza nandritra ny hetsika Chetnik , nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Tamin'ny 1946 dia voasambotry ny fanjakana kômonista Yogoslavy izy, nolazaina fa namadika sy nanao heloka nandritra ny ady, voaheloka ho faty ka novonoina. Efa hifarana ankehitriny ny fitsarana hanomeza-kasina...

Kolombia: Noafahan'ny FARC Ireo Miaramila Takalonaina 10 ‘Farany’

  06 Avrily 2012

Tamin'ny Alatsinainy 2 Aprily 2012, miaramila efatra sy polisy enina nalain'ny Tafika Revolisionera ao Kolombia (FARC) an-keriny  tamin'ny taona 1998 na 1999, no noafahan‘ireo vondrona mpioko mitam-piadiana ireo ihany tao amin'ny faritra ambanivohitra eo anelanelan'i Meta sy Guaviare (atsimo-atsinanan'i Kolombia). Nambaran'ny FARC ny fanafahana ireo takalonaina enina tamin'ny taon-dasa, ary tamin'ny volana Febroary, nanambara ny...