· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Febroary, 2012

Yemen: Miarahaba An'i Saleh Amin'ny Kiraro Ireo Yemenita Mpanohitra Any New York

Nanoraka kiraro nanandrify ny filoha Yemenita Ali Abdullah Saleh vao niala teo ireo Yemenita ao New York, izay lazain'izy ireo fa tokony hijoro manoloana ny Lapam-pitsarana Iraisam-pirenena natao ho an'ireo Mpamono olona (ICC) fa tsy tokony hijanona any amin'ny Trano Fandraisam-bahinin'ny Luxury Ritz Carlton any Manhattan. Mamintina ny fihetseham-pon'ireo Yemenita amin'ny nipetrahan'i Saleh tany New York ny Noon Arabia.

Shina: Niteraka Fankalazana sy Alahelo Ny Veto Momba an'i Syria

  11 Febroary 2012

Nifidy ho amin'ny tombotsoany manokana i Rosia sy i Shina omaly tamin'ny fanoherana mampiady hevitra nataon'izy ireo tamin'ny volavolam-panapahan-kevitra tao amin'ny Vaomieran'ny fandriampahaleman'ny Firenena Mikambana miantsony filoha Syriana Bashar al-Assad hampitsahatra ny famonoan'olona ataony ao amin'ny firenena, volavolam-panitsiana ny drafitra teo aloha miantso an'i Assad hiala amin'ny fitondrana. Nohamarinin'i Shina ny fanapahan-keviny...

Brezila : Nampitokona Tsy Hihinan-kanina Mpikatroka Ny Lahatsary “Afenina” Momba Ny Any Pinheirinho

  07 Febroary 2012

Zava-nitranga tany Brezila ary nalaza amin'ny hoe ‘Fandripahana tany Pinheirinho‘  ny fandroahana tamin-kerisetra ireo olona mahantra an'anarivony hiala ny trano fonenany miorina eo amin'ny tanin'ny fanjakana bankirompotr'i Naji Nahas tamin'ny 22 janoary 2012. Nalaina sary sy an-tsarimihetsika amin'ny endriny maro samy hafa iny zava-niseho iny : ny andro mialoha ny...

Yemen: Lasa Niaraka Amin'ny Vono olona Nataony i Saleh…Misitraka Famotsoran-keloka izy

Tamin'ny 8 Desambra 2011 ny Filankevitry ny minisitra Yemenita dia nanao sonia ny lalàna izay manome famotsoran-keloka araka ny lalàna ho an'ilay filoha teo aloha Ali Abdullah Saleh mifanaraka amin'ny fifanarahan'ny GCC (Fifanaraham-piaraha-miasa any amin'ny faritry ny Golfa), na teo aza ireo hetsi-panoherana nanerana ny firenena nangatahana ny hitsaràna an'i Saleh noho ny namonoany an'ireo mpanao hetsi-panoherana. Hampandalovina holaniana eo anatrehan'ny parlemanta mba hivadika ho lalàna ilay drafitra. Maneho hevitra an-katezerana sy anaty fahadisoam-panantenana ireo mpionana aterineto.