· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Janoary, 2012

Yemen: Revolisiona Iray Hafa Mitovy Eny An-dalambe Hatrany Amin'ny Andrimpanjakana

Tao anatin'izay herinandro vitsivitsy lasa izay, niely hatreny an-dalambe ka hatrany amin'ny andrimpanjakana manerana ny firenena ny revolisionan'i Yemen, mitaky ny fanafoanana ny kolikoly eo anivon'ny governemanta sy ny andrimpanjakana. @SupportYemen ni-tweet rohy tao amin'ny Washington Post mitondra ny lohateny hoe “Nipariaka nanerana an'i Yemen ny fitokonana, nanatevin-daharana  ny ady amin'ny...

Filipina: Naely An-tserasera Fa Atao Hazalambo Ilay ‘Mpanitsakitsaka ny Zon'olombelona’

  06 Janoary 2012

Nalefa an-tserasera ny ezaka atao amin'ny fisamborana ilay jeneraly kintana iray Jovito Palparan taorian'ny fivoahan'ny didy fisamborana ity olona voarohirohy ho mpanitsakitsaka ny zon'olombelona ao Filipina ity. Olona niharan'ny tsy fanajana ny zony, vavolombelona, fianakaviana ary ireo mpanohana voatonona farany rehetra ireo no nitaky ny hanaovana hazalambo an'i Palparan satria...

Syria: Famonoana Feno Habibiana Iray Tamin'ny Krismasy

Mihoatra ny 250 ireo Syriana nisy namono nandritra ireo roa andro lasa, izay niafara tamin'ireo onjam-pahatairana erak'izao tontolo izao. Avy any amin'ny Filan-kevitra Nasionalin'ny Syriana mpanohitra (SNC) ny tatitra momba ireo "famonoana mampihorohoro" ireo, izay nanitrikitrika ny hanamelohan'ny Vondrona Arabo ireo famonoana ireo sy ny handraisan'ny Firenena Mikambana fepetra mba hiarovana ny olon-tsotra. Mihetsika manoloana ny famonoana nitranga tamin'ireo olom-pirenena Syriana ireo mpampiasa aterineto eo ambanin'ny tenifototra Twitter #ChristmasMassacre