· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Oktobra, 2011

Tonizia: Bilaogera Arabo Niresaka Momba ny Toe-draharaha ao Syria

Notsarovana sy noresahan'ireo mpandray anjara marobe manokana i Syria tamin'ny Fihaonan'ny Bilaogera Arabo andiany fahatelo tao Tonizia tamin'ity herinandro ity. Tsy nolazaina firy tamin'ny adihevitra momba ny Syria ny fifaliana nateraky ny revolisiona tao Tonizia sy Ejypta, izay ahitana ny fitomboan'ny herisetra ataon'ny fitondrana,  mananika ny 3000 ireo namoy ny ainy, kanefa...

Indonezia : Fipoahana baomba fanaovana sorona ny tena tao aminà Fiangonana Protestanta

  06 Oktobra 2011

Fiangonana protestanta ao Solo, afovoan'i Java ao Indonezia no tratran'ny fipoahana fanaovana sorona ny tena [andro maro lasa izay]. Mpampiasa Twitter tao Solo sy tany an-kafa no nandefa ny fiaraha-miory tamin'izy ireo sy naneho ny fahadisoam-panantenany mikasika iny tranga nampalahelo iny. Indreto ary misy fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpisera twitter tamin'ny fampiasana tenifototra #prayforsolo sy #pray4solo

Shina: Ny Sandan'ny Fitetezana Habakabaka

  06 Oktobra 2011

Kihondalana amin'ny hazakazaka hitety habakabaka indray ny fandefasan'i Shina tamin'ny herinandro lasa ny Tiangong-1 tobin-danitra azo onenana, iray amin'izay tokony atahoran'ny rehetra. Indrindra fa ny Aziatika mpiara-dia amin'i Etazonia, mazava? Iray amin'ireo tsy mitovy hevitra amin'izany filazana izany i Jiang Feng, tonia lehiben'i gazety miteny shinoa any Japana Taranaka-Shinoa-Vaovao Ampitan-dranomasina; ao...

Yemen: Zomam-pandresena ho an'i Syria sy i Yemen

Nanambatra ny anarany amin'ny Hetsika isan-jomà, ho fiaraha-mientana, ny Revolisionera any Syria sy Yemen izay manohitra amam-bolana izao ny fitondrana mpanao didijadona sy be fihaikana. Ao amin'ny "Zomam-pandresena ho an'i Syria sy i Yemen" no nandritra ny ezaka ataony hizara tsy amin'ny anarana iray ihany, fa amin'ny saina mihofahofa mitovy, hiaka hatramin'ny rakipeo sy lahatsary aza, ny mpikatroka ao amin'ny firenena roa tonta

Sina: Iza No Nahalala Fa Nankahala An'i Gaddafi Ny Libiana?

  02 Oktobra 2011

Zhang Zhaozhong dia toy ny Thomas Friedman Sinoa: Profesora fanta-daza iray miaraka amin'ny PLA National Defense University, Contre-Amiral ao amin'ny tafika an-dranomasina PLA ary mpanao tatitra momban'ny raharaha ara-miaramila ho an'ny CCTV sy ny haino aman-jery hafa, manana mpankafy marobe ary malaza amin'ny fandaminana ny fifanolanana eo anivon'ny miaramila izay iadidiany mialoha ny tsy hitrangan'ny voka-dratsiny