· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Oktobra, 2018

Ry GV, ny vaovaon'ny iSummit

  18 Oktobra 2018

Ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices, Renata Avila, dia nandefa ity karatra paositaly bilaogy ity avy amin'ny iSummit tany Kroasia, izay nampifandray ny vondrom-piarahamonina manerantany, miara-miasa mba hananganana ny vondrom-piarahamonin'ny fahafahana - mba hamoronana, mba ho ampiasana , mba hizarana."

Vaovao misimisy kokoa momba ny fihaonambe “iSummit Dubrovnik 2007″

  18 Oktobra 2018

Fomba iray mahaliana hamondronana vaovao vaovao sy maharaka izay lazaina amin'ireo lohahevi-dehibe, toy ny hoavin'ny "Commons", ireo "vondrom-piarahamonina", ary ny fomba fampitana izany ho an'ireo izay manandanja izany hoavy izany, dia hoan'ny ny kilonga izany, ny famahanana bilaogy mivantana ny Fihaonambe  "iCommons iSummit". 

Fanavaozana mikasika ny kaonferansa “We Media”

  17 Oktobra 2018

Lahatsoratra tselika kely avy any Londres mba hampahafantarana anao fa handray anjara amin'ny resaka skype sy amin'ny IRC sehatra fifanakalozan-kevitra amin'ny aterineto miaraka amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices ny iray amin'ireo mpandahateny aty, i Nitin Desai .

NewsILike sy ny mpanangona zava-kanto

  17 Oktobra 2018

Nanandrana ny NewsILike.com, tranonkala mpanangom-baovao napetraky ny ekipa ahitana an'i Jim Moore, mpiara-miasa ao amin'ny Berkman, mpikatroka Darfur sady mpiara-dia ato amin'ny Global Voies aho. Mampahafantatra ny hevitra "fanangonana artistika" i Jim, hevitra hoe afaka ho fanehoana zava-baovao mitovy fomba amin'ny bilaogy ny fanangonam-baovao.

Koety sy ny Andron'ny Lainga

Nanomboka nandrakotra ny blaogy Koetiana ny gazety iray any an-toerana. Any amin'ny firenena maro, mety ho hita toy ny dingana tsara izany fa manana hevitra tsy miloaka ireo blaogera Koetiana sasany. Mitatitra i Abdullatif Alomar. Manamarika ny fitobahan'ny lahatsoratra marobe ny voalohan'ny volana Aprily, izay mampanontany tena ireo mpamaky sy blaogera raha toa ka marina ny zavatra vakiany na tsia.

Bangladesh: Ireo Fifidianana 2008 Sy Ny Fikatrohana Anaty Aterineto

  16 Oktobra 2018

Fifidianana tao Bangladesh ny 29 Desambra 2008, fifidianana solombavambahoaka efa tena nandrasana fatratra. Fampielezankevitra mizotra amin'ny fomba tena samihafa amin'ny fifidianana filoham-pirenena natao vao tsy ela akory tao Etazonia, ka tany ireo median'ny olom-pirenena, ny fanentanana fifidianana sy ny fanangonambola, amin'ny aterineto, dia tena nanan-danja tokoa