Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Septambra, 2018
Raha hiverina ao Shina ny Google, dia hanaraka ny fepetran'ny governemanta. Dia ahoana ny zon'olombelona?
Mety miomana hanisaka ny fitsipiky ny zon'olombelona ahafahany miditra amin'ny tsena shinoa ny Google. Saingy mbola miankina amin'ny governemanta shinoa hatrany no hananany zo hiditra amin'ny tsena.
Kazakhstan: Ireo Vovonana Bilaogy Miha-Voasivana Bebe Kokoa
Ireo blaogy eo amin'ny mail.ru - vavahadin-tserasera rosiana iray malaza amin'ny fampitambaovao, ny fialamboly sy ny imailaka, no faharoa nanjary niharan'ny sivana tao Kazakhstan, taorian'ny LiveJournal. Ny fidirana amin'ireo blaogy irery ihany no sivanina amin'ny alalan'ilay mpandraharaha nasionaly momba ny fifandraisadavitra, miasa tsy misy olana kosa ireo tolotrasa rehetra hafa eo amin'ilay vovonana. Mety ny fidirana amin'ilay faritra natao ho an'ny blaogy raha ampiasàna 'proxy' mba tsy hitononana anarana an'ireo fidirana ny aterineto.
Egypta: Nosakanan'ny Blogger ny bilaogin'i Nawara
Toa hita fa tsy ny mpitondra ny firenena mahantra ihany no manakana ny bilaogin'ny olona. Toa hita fa nanapa-kevitra ny hanara-dia ny Blogspot, ary nanakana ny Bilaogin'i Nawara Negm (Tahyees), tsy nisy filazana antony manokana. Ary nanoratra momba ity tranga ity amin'ny teny Arabo i Ahmed Shokeir .
Azia Atsimo: DST, Mpiasan'ny MR-9, Rallye SAARC, fomba amam-panao Tshechu, Fanao ara-tsaranga, Fitondrana fiara ary ny hosoka
Lohahevitra maro samihafa no iadin-kevitra ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Azia Atsimo. Ny mety ho korontana amin'ny fananganana ny Daylight Saving Time, ny valintenin'i Bangladesh tamin'ny 007, ny hazakazaka fiara hanatsarana ny fifandraisana mivantana amin'ny olona, ny saranga, ny fivavahana ary ny fombafomba sy ny maro hafa.
Netizen Report: Tsy ao Myanmar ihany— fa mieli-patrana ao amin'ny media sosialy toa an'i Kamerona sy i India ny kabarim-pankahalana ara-poko
Ny Advox Netizen Report dia manome tatitra iraisam-pirenena momba ny fanamby, ny fandresena, ary ny vaovao malaza momba ny zo an'Aterineto manerana izao tontolo izao.
Ny samonin'ny bilaogy Bangladeshita (oktobra 2006)
Ny zava-nitranga tamin'ny bilaogy Bangladeshita manerana izao tontolo izao.
Ho an'ireo fianakaviana Kiobàna monina any ivelany , manova ny zava-drehetra ny aterineto
Mba hamantaranao momba ny fanantenana vaovao ho an'ny fianakaviana monina any ivelany dia mila mandalo kely ao amin'ny zaridaina misy Wi-Fi maimaim-poana ianao.
Mamondrona ezaka i Shina mba hanakanana ny tsaho antserasera
Tamin'ny volana jolay 2018, nahazo tatitra 6,7 tapitrisa momba ny vaovao tsy ara-dalàna sy diso ireo mpanaramaso ny aterineto avy amin'ny fanjakana.