· Jona, 2017

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Jona, 2017

Egypta: Niforona Ny Vondrona Manohitra Fitokonana Ao Amin'ny Facebook

Mba hiodinana amin'ny sivana, niantehitra mafy tamin'ny fitaovan-tserasera ireo mpikatroka ao amin'ny tontolo Arabo handefasana hafatra, ary namaritra ilay antsoiny hoe ny barofon'ny fanjakana amin'ny olon-tsotra. Naparitaka tao amin'ny vondrona Facebook ny teny momba ny fitokonana tamin'ny herinandron'ny 6 Aprily tao Egypta izay nahasarika mpikambana mihoatra ny 71.200 hatreto ...

Ny Fomba Fijerin'ilay Bilaogera Soedoa An'i Iran

Bilaogera Soedoa iray i Jonathan Lundqvist izay nitsidika an'i Iran volana vitsivitsy lasa izay ary nizara ny zavatra niainany tamin'ny Global Voices tao anatin'ny antsafa iray. Namoaka sary maro tao amin'ny bilaoginy momba ny sivana, ny fiainana andavanandro ao Iran i Jonathan sady tsy hanadinony ihany koa ny hatsaran-tarehin'ilay firenena.

Bolivia: Fivorian'ny Bloguivianos

  16 Jona 2017

Nivory tao Santa Cruz ho an'ny fivorian'ny "Bloguivianos. [ES]" voalohany fanao isan-taona tamin'ny 1 Septambra ny bilaogera Boliviana avy any ivelany sy manerana ny firenena . Hanome ny fahafahana ho an'ny maro izay mifandray fotsiny amin'ny alalan'ny bilaogy na mailaka mba hihaonana mivantana ity fivoriana ity.

Tetikasa Pedicab: Posiposy Amin'ny Endriny Vaovao Ao Nepal

  14 Jona 2017

Manome tolotra fitaterana lehibe ho an'ny ankamaroan'ny Azia Atsimo ny Pedicab (fantatra amin'ny hoe posibisikileta. Ny indostrian'ny famokarana sy ny fitantanana posiposy dia asa sy fidiram-bola lehibe ihany koa ho an'ireo tena mahantra indrindra eo amin'ireo mahatra.

Arzantina: Hackathons Sy Ny Mangarahara Ara-bola Ao Bahía Blanca

  14 Jona 2017

Raha nandre ny vaovao momba ireo fifanekena mampiadihevitra nataon'ny governemanta ao an-toerana ao an-tanànan'i Arzantina Bahía Blanca i Manuel Aristaran (@manuelaristaran), nijery ny tranonkalany [governemanta] izy ary nanamarika fa tsy azo nidirana tsotra izao ny fandanian'ny kaominina. Ka namaha izany olana izany izy.