Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Teknolojia

Pakistàna: mety ho voarara noho ilay lalàna vaovao ‘henjana dia henjana’ ireo sehatry ny media sôsialy

Niteraka fanakianana avy amin'ireo vondrona mpiaro zon'olombelona sy ireo orinasa momba ny teknolojia ireo fepetra vaovao manome fahefana ny fanjakàna handrindra ny votoaty ety anaty aterineto sy handrara manontolo ireo sehatra sôsialy

Nampiantrano ny sehatra fifanakalozan-dresaka voalohany tao amin'ny tambajotra sosialy i Mozambika

Dinidinika tao amin'ny tambajotra sosialy voalohany tany Mozambika. Niadian-kevitra ny fomba samihafa hijeren'ny firenena ny fivoaran'ny teknolojia ao anatin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny fikambanan'ny tanora ity hetsika ity.

Fanakendana ny aterineto, fanakatonana ny SMS andro vitsivitsy mialoha ny fifidianana ao Tanzania

Tao anatin'ny 24 ora monja mialoha androm-pifidianana, nitatitra ireo mpiserasera ao Tanzania sy ireo nosy mizaka tena ampahany ao Zanzibar fa voafetra ny fidirana amin'ny tolotra aterineto, anisan'izany ireo sehatra media sosialy toa ny WhatsApp, Facebook ary Twitter.

“Abidjan Blog Camp” sy ny hetsika “Soraty anaty bilaogy ny fialantsasatrao”

Lasitra fiofanana iray momba ny fampiasàna ireo media sôsialy satria [...] vitsy ny afrikàna no manana fakantsary nomerika ho entina manatontosa rakitsary, ... Sady koa tsy mora ny mampakatra lahatsary iray manana habe 100Mo raha mbola tambajotra milodaka be no mba ananana any amin'ny firenena afrikàna sasantsasany

Mahara-baovao ireo Amerikàna tsy manan-kialofana, maneho hevitra ireo Rosiàna mpampiasa aterineto

Misy olona sasantsasany tsy afaka ny hahafantatra mihitsy hoe inona no ilàn-dry zareo solosaina, ary tena tontolo hafa tanteraka ho azy ireo izany aterineto izany

Ny fiandohan'ny sivana aterineto tany Alemaina

Tao anatin'ny andro telo, sonia 50.000 no azo – ny isa ilaina mba ho azon'ny parlemanta dinihana ny amin'ilay fanangonantsonia...Tao anatin'ny fetra 6 herinandro, olona 130.000 no nahavita sonia, nahatonga io fanangonantsonia io ho ny iray isan'ny nahangona sonia betsaka indrindra sy nahomby teo amin'ny tantara.

Kôety: Fifidianana, klinika mampiahiahy ary mpiasa an-trano atao ratsy fitondra

Fintina vaovao avy amin'ny tontolon'ny bilaogy kôetiàna, miainga avy amina lahatsoratra momba ny fiantraikan'ny fanairana noho ny gripan-kisoa ka mandalo amin'ny sompatra manahirana tamin'ny fanontàna ireo antontan-taratasy ofisialy, ary hatramin'ny toedraharaha sarotra momba ny maha-olona manjo ireo mpanampy an-trano

Niteraka ahiahy momba ny zon'olombelona ny lafatra ‘fiarovana an-tserasera’ vaovao any Oman

Nandany didy hitsivolana vaovao manome fahefana feno ho an'ny manampahefana hifehy ny aterineto sy ny angondrakitra rehetra ampitaina ao amin'ny firenena ny Soltanà an'i Oman.

Facebook, mandà ny fiampangàna azy ho manampy trotraka ny kabarim-pankahalàna sy mpomba ny BJP ao India

Ny 16 Septambra, namoaka fanambaràna iray ny lehiben'ny Facebook ao India nandàvany ireo fiampangana ity goavan'ny media sôsialy ity ho maka tombony amin'ny fanomezana sehatra ny kabarim-pankahalàna ao India.

Noho ny fisian'ny fifandonana Nagorno-Karabakh, tapatapahan'ny manampahefana ao Azerbaijàna ny aterineto manerana ny firenena

Tapatapaka ny fidirana aterineto nanomboka tamin'ny nipoahan'ny fifandonana tamin'ny 27 Septambra