· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Desambra, 2018

Serbia: Misafidy, na i Tadic na i Nikolic

Bilaogera Serba maro no manohana an'i Tadic sy ny fifandraisana akaiky kokoa eo amin'i Serbia sy ny Firaisambe Eoropeana, ary manohitra ny politika nasionalistan'i Nikolic. Ny sasany kosa anefa diso fanantenana amin'ny politikan'i Tadic nandritra ny fitondrany teo aloha ary mino fa nampahery ireo radikaly izany.

Ekoadaoro: Ny feon'ny findaiko sy ny fitantarana isan'andro ataon'olontsotra

  06 Desambra 2018

Ao amin'ny faritra saro-dalana manodidina an'i Quito, Ecuador, napetraka ny kamiao kely norakofana tsara nandritra ny tontolo andro mba hampianatra momba ny tontolon'ny asa fanaovan-gazetin'olon-tsotra. Ahitana seza maro ary koa birao mihitsy aza ao anatin'ilay fiara, antsoina hoe "Mi Voz Móvil" (Ny Feon'ny Findaiko), ampy tsara handraisana mpanao gazety.

Pakistana: Bilaogin'ny Fialantsasatra

  01 Desambra 2018

Tafaverina aho! …sa tsy nisy nahatsikaritra ny fahalasàko? Na izany na tsy izany, koa satria tsy afaka nanatrika ny fihaonamben'ny Global Voices tany Delhi ny tenako (satria mbola miandry ny fanekena ny visako avy any India efa telo volana izao), dia nandeha nitsidika an'i Pakistana. Sarobidy tokoa ny androko tany.

Pakistana: Bilaogin'ny Tsikera

  01 Desambra 2018

Tahaka ny 'Phoenix' velona indray, miverina aho, nohavaozina, velombelona ary nihatanora ho bilaogera vaovao sy mavitrika. Raha ny marina, manita-dresaka kely aho, ny savorovoro mivoaka avy amin'ny krizy no mitovitovy amiko kokoa, miverina aho, mahantra, torovana sy ketraka manampy ilay bilaogera efa kamolahy ato anatiko.