· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Jolay, 2018

Liberia: Ny fiandohana sarotra ho an'ny tontolon'ny blaogy

Rising Voices  24 Jolay 2018

Sarotra ny maminavina toerana iray izay tena sarotra kokoa ny fitazonana blaogy noho ny any amin'ny firenena izay tsy misy fizarana herinaratra ho an'ny daholobe fotsiny tsotra izao. Fa ireo liberiana mitsiriritra ny ho mpanao gazety mazoto kosa dia miasa mafy mba hanjohy an'ireo mpanao gazety sy blaogera mpiara-miasa aminy any amin'ny sisintanin'ny haino aman-jery afrikanina vaovao''

Pakistana: Mbola Arahina Maso Foana Ny Aterineto

  22 Jolay 2018

Taorian'ny fanapahankevitry ny fitsarana noraisina vao haingana, nanapa-kevitra ny fanjakana hanara-maso tranonkala malaza vitsivitsy toy ny Google, Youtube, Facebook, Hotmail izay mety ahitana votoaty mampisalasala sady maniratsira fivavahana ho an'ny silamo. Fanehoankevitr'ireo blaogera pakistaney.

Italia, Tonizia: Tenina Mpifindra Monina Mikasika ny Lohataona Arabo

  22 Jolay 2018

Inona no hevitr'ireo mpifindra monina mipetraka ao Italia momba ny hetsika vao haingana tao Afrika Avaratra? Inona no hetvit'izy ireo mahakasika ny anjara asan'ny Aterineto? Ny fijoroana vavolombelon'izy ireo dia nangonina tao anatina lahatsary fanadihadiana izay nalefa mandritra ny Fihaonana ''Tonizia, ny vanim-potoanan'ny jasmina'', nandritra ny fetin'ny sarimihetsika Immaginafrica, ny 14 novambra 2011 tao Padoue.

Reunion: Mavitrika mibilaogy

  22 Jolay 2018

Manakaiky an'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo, iray amin'ireo tontolon'ny bilaogy mavitrika indrindra ao amin'ny firenena miteny Frantsay i Reunion, Departemanta Frantsay am-pitandranomasina miorina ao amin'ny Ranomasimbe Indiana ao Atsinanan'i Afrika.