Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Marsa, 2018

Zeorzia: Antsafa Niarahana Tamin'I DvOrsky

Tsy vahiny intsony ato amin'ny fizarana lahatsoratra momba an'i Kaokazia ato amin'ny Global Voices i Giga Paitchadze, fantatra kokoa antserasera hoe DvOrsky.

Armenia-Azerbaijan: Antsafa Niarahana Tamin'I Elizabeth Métraux

Hetsika antserasera mampiasa bilaogy sy lahatsary mba hampifandraisana ny tanora Amerikana sy Armeniana ary Azerbaijani hiara-miasa amin'ny famoronana ny fampitam-baovao tompon'andraikitra ara-tsosialy ny DOTCOM, fandaharanasa novokarin'ny PH International ary tohanan'ny Departemantam-panjakana Amerikana. Miresaka amin'ny Talen'ny Fandaharanasa Elizabeth Métraux ny Global Voices Online.

Korea Avaratra: Tambajotram-Pinday Vaovao

Ny vaovao farany avy any Korea Avaratra dia ny fisokafan'ny tambajotram-pinday Ejiptiana iray goavana sady haingam-pitosaka. Nahazo ny fanehoan-kevitry ny bilaogera tamin'ny fivoahany voalohany izahay

Libanona: Fanangonana Kilalao [Fun(d) Raising]

Vondrona bilaogera Libaney no nanapa-kevitra hampitsiky ireo ankizy sahirana amin'ny alàlan'ny fanomezana kilalao Krismasy. Fun(d) Raising (Fanangonana Kilalao) no anaran'ny tetikasan'izy ireo ary mitondra fifaliana sy fahafinaretana ho an'ny rehetra izany.

Nilaozan'ny Gazety Lehibe Indrindra ao Brezila ny Facebook, Nampangainy ho Akanin'ny ‘Vaovao Faikany’

Ampangain'ny tonian'ny Folha ny Facebook ho "...manilika ny fanaovan-gazety matihanina tamin'ny pejiny ho fanomezana vahana ireo votoatin'olontsotra sy ny fanokafana ny sehatra hampiroboroboana ny "vaovao faikany".

Tsy Afaka Mifandray Sy Miantso Vonjy Ny Mponina Ao Sinay, Saikinosy Egyptiana Noho Ny Fahatapahan'ny Tambajotra

"Tsy afaka nampandre ny trangana fahafatesana vokatry ny fanafihana na ny ratra mahazo azy ireo ireo mponina any avatr'i Sinay ary voafetra ny fidiran'izy ireo amin'ny tolotra vonjy taitra" raha tsy nisy ny tambajotram-pifandraisana.

Rakipeo: Famahanana Bilaogim-pitiavana Amin'ny Teny Shinoa

Tany Shina ny Profesora Charlie Nesson, mpanohana mahafatra-po ny Global Voices. Nandrakitra rakipeo izay nanatontosany antsafa tamin'ny bilaogera Shinoa iray niarahany tamin'i Ben Walker, mpanao gazety ao amin'ny onjam-peo antserasera iray; mampiasa ny bilaoginy ity bilaogera Shinoa ity hifandraisany amin'ny sipany izay indrisy fa mipetraka any an-tanàndehibe hafa.

Kazakhstana: Ny Maha-Hafahafa Ny Ankehitriny Nomerika

Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy, nifantoka kokoa tamin'ny fanandratana ny sehatrin'ny fifandraisandavitra sy ny vaovao mifandraika amin'ny Aterineto ao Kazakhstana ny tontolon'ny bilaogy any.