Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Oktobra, 2017

Fanehoan-kevitra Momba Ny Lahatsary Nisy Mariazin'ny “Mpanjaka” Birmana

Navoaka antserasera tamin'ny herinandro lasa ny horonantsary iray avy amin'ny lahatsary tafaporitsaka momba ny fampakaram-badin'ny zanaka vavin'ny Jeneraly Than Shwe , mpitondra miaramila ao Myanmar (Birmania) . Tohina tamin'ny fampisehoana ny fandanian-karena mihoapapana ireo olona nahita ilay horonantsary .

Iran: Balatarin, Tantara Momba Ny Median'Olon-Tsotra Nahita Fahombiazana

Mehdi Yahyanejad no mpanorina ilay tranonkala tena mahomby Balatarin. Balatarin (izay midika hoe 'ambony indrindra' amin'ny teny persiana) dia habaky ny vondrom-piarahamonina izay ahafahan'ny mpiserasera mandefa rohy ao amin'ny pejy habaka tian'izy ireo.

Tafaverina An-Tserasera ao Iran Ankehitriny ny Tranonkalam-Pihainoana Hira Soundcloud sy Spotify

Efa azon'ny Iraniana idirana amin'izao fotoana izao ny Spotify sy ny Soundcloud.

Ny Tetikady ”Fahafahana Miparitaka”

Mba manontany tena aho hoe inona ireo mason-tsivana sy fepetra ho ampiasaina mba ''hametrahana sy hampiharana politika momba ny fampiasana blaogy sy ny votoatin'ny blaogy.''

Malezia: Bilaogera Enjehina

Afaka mampitovy ny taha tsy mifandaja isika amin'ny fanaovana fanomezana ara-bola ao amin'ny kitapom-bola ara-dalànan'ireo Mpitoraka Bilaogy mba andoavana ireo mpisolovava azy ireo.

Shina: Ny Fanavotana Ny Lahatsary 

Haingana dia efa nivoaka ny vaovao tamin'ny alalan'ny bilaogy Shinoa  sy ny BBS rehefa nivoaka hanao hetsi-panoherana ny fanambarana farany ofisialy momba ny fanadihadiana mikasika ny fahafatesan'i Dai Haijing, mpampianatra sekoly ambony ny olom-pirenena  an'aliny ao Ruian, Zhejiang na dia teo aza ny fandrarana avy amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra'.

Miasa Ho An'ny Wi-Fi an-Tanàndehibe Voalohany Ao Shily

Tanàndehibe misy mponina manodidina ny 25.000 i Salamanca (ES). Ao amin'ny faritra fahefatra, Coquimbo no misy azy . Antsoina hoe "Salamanca : ny tanàndehibe voalohany amin'ny Taonjato faha XXI " ny tetikasa.

Tamil amin'ny Maha-Fiteny sy amin'ny Maha-Vahoaka Azy

Inona izany hoe Tamil? Ho an'ny sasany, tenim-pirenena izany, ho an'ny hafa, fivavahana izany, ho an'ny tsy mahafantatra mihitsy, wikipedia no famonjena. Misy ihany koa mazava ho azy ny Wikipedia amin'ny teny Tamil.

Ao Amin'ny Telegram, Mivadika Ho Vola Ny Politika Rosiana Sy Ny “Memes”

Iray amin'ireo fantsona malaza indrindra ao amin'ny Telegram no nibahana ny lohateny vaventy teny anatin'reo gazety Rosiana tamin'ny Septambra 2017 rehefa namidy 5,5 tapitrisa robla (US$95,000).

Thailandy: Fandrahonana sy Fanitsakitsahana ny Fahalalahan'ny Aterineto

Notaterin'i Aim Sinpeng fa nitohy ny fanivànana aterineto ao Thailandy na eo aza ny fandresen'ny mpanohitra nandritra ireo fifidianana farany teo. Tohizan'ny governemanta ny fibahanana traonkala an'arivony noho ny fanitsakitsahana ny lalàna ao an-toerana. Marobe ihany koa ireo bilaogera no nosamborina fa nolazaina ho nanevateva ny fianakavian'ny mpanjaka.