Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Aogositra, 2016
Ataon'i Iran Lasibatra ny Sazy Amerikana Amin'ny Alalan'ny Fandrahonana ny Apple
Mandrahona handràra ny vokatra Apple rehetra i Tehran raha tsy mametraka birao ao an-toerana ny orinasa, nilaza ireo manampahaizana fa natao hamparefo ny sazy Amerikana mametra ny fitobaky ny fampiasam-bola ao Iran ankehitriny izany.
Fakantsary Fanarahamaso Nahitana Fiara Nandona Olona sy Nitsoaka Nahatonga Fanontaniana Hoe : ‘Maty Ve Ny Maha-olona Ao Delhi'?
" Tsy niraharaha an'i Matibool ilay niharam-boina voadona sy nitsoahan'ny mpamily ireo olona nandalo maherin'ny 200 nandeha an-tongotra . Nanome azy daka ny olona iray ary nangalatra ny findainy."
Tatitry ny Mpiserasera: Tsy Lalao Sy Fanalan'Andro Madiorano Ny Pokémon GO Any Shina Sy Afovoany Atsinanana
Raha mbola manakoako manerantany ny Pokemon, dia eo am-pandaliana lalànan'ny VPN vaovao manahiran-tsaina i Emirà Arabo Mitambatra. Mitohy ny fifanolanan'i Brezila amin'i WhatsApp ary namoaka ny orinasam-pifandraisany manokana ho azy ny vondrona indizeny Meksikana.
Ry Mpikatroka Malala Ao Hong Kong, Mba Atsaharo Azafady Ny Filazana Amin'ny Rehetra Hoe Azo Antoka Ny “Telegram”
Raha mandeha manerana ny Nosy Hong Kong izahay, mihiaka izao ireo feo amin'ny fanamafisam-peo, “ampidiro ny Telegram, azo antoka noho ny WhatsApp io!” Fa tsy azo antoka kokoa noho ny Whatsapp ny Telegram-- ratsy kokoa amin'ny lafiny maro aza io.
Akaton'i Bangladesh ny Aterineto, Avy eo Tranonkalom-baovao 35 no Nomena Baiko Hakatona
“Tafiditra ao anatin'ny hetsika ankehitriny, hotapahana mandritra ny fotoana fohy amin'ny fotoana rehetra sy ny toerana rehetra ny fifandraisana aterineto isan-karazany ao amin'ny firenena.”
Teknolojia, Injenieria ary Zava-baovao Maro Mahatalanjona Hita Manamarika Ny Fanitarana Ny Lakandranon'i Panamà
"Lakandrano kely tokoa ankehitriny ny Lakandranon'i Panmà notsidihako raha oharina amin'ny notokanana androany.."
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices: Lasa Politika ny Pokémon Go
Amin'ity herinandro ity izahay mitondra anao ho any Iran, Japan, Shina, Meksika ary Timor-Leste.