Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Jolay, 2016
Bibikelin'ny Telegram Mamoaka Ny Resaka Anatiny Nifanaovan'ny Mpiasan'ny Fahitalavitra Rosiana Iray Any Amin'ny Mpisera Iray Hafa
Nitatitra ny mpisera Telegrama Rosiana iray fa naharay filazana hafahafa avy amin'ny karajia Telegram izay tsy mpikambana azy akory. Ahoana ary inona no antony nahatonga izany? Ary inona no lazain'izany momba ny rafi-pifandraisana voalaza fa voaaro ao amin'ny Telegram?
Nahoana i Facebook No Nanala Ny Lahatsoratra Fanakianana Ny Polisy Singapaoreana?
Nalefan'ilay mpikatroka politika sy mpisolovavan'ny zon'ny sivily Teo Soh Lung tao amin'ny Facebook ny lahatsorany rehefa nitady ny tranony sy ny solosainy ny polisy tsy nisy taratasy fahazoan-dàlana avy amin'ny fitsarana. Nofafana ilay lahatsoratra avy eo.
Afaka Manaisotra Anaran-tsehatra Tsy Mila Didim-pitsarana Ankehitriny Ny Mpanivana Rosiana
Nomena fahefana hanaisotra ny anaran-tsehatra ho an'ireo habaka hita fa mampiantrano sary vetaveta ahitana ankizy tsy ilaina didim-pitsarana ny mpandrindram-panjakana rosiana misahana ny aterineto, Roscomnadzor.
Miaka-peo Manohitra Ny Lalàna Henjana “Miady Amin'ny Fampihorohoroana” Ny Orinasa Sy Ireo Mpikatroka Rosiana
Mandrahona ny fiainana manokana sy ny tsy fitononana anarana eo amin'ireo mpiserasera Rosiana ny volavolan-dalàna vaovao miady amin'ny fampihorohoroana amin'ny alalan'ny fanasaziana ny fifandraisana voaaro sy ny fanamafisana orina ireo fepetra fanarahamaso efa misy.
Mihevitra Hanangana ‘Fandraharahana Nasionalin'ny Lahatahiry Goavana’ i Rosia Hifehezana Ny Lahatahirin'ny Mpiserasera Aterineto
Efa dinihan'ny manampahefana Rosiana ny hananganana "mpanao raharahan-dahatahiry goavana nasionaly" ahafahana manara-maso ny fomba ampiasana, itehirizana ary hiarovana ny lahatahirin'ny Rosiana mpiserasera aterineto