· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Septambra, 2011

Kambodza: Manao Fihetsiketsehana Hiarovana ny Ala ny ‘Avatar’

  13 Septambra 2011

Niakanjo sy nihaingo tahaka ny foko Na'vi ao amin'ilay sarimihetsika Avatar, nanohitra ny tetikasa fanadiovana ny ala Prey Lang izay hosoloina toera-pambolena sy toera-pitrandrahanana ny tambanivohitra Kambodziana. Prey Lang no ” ala lehibe midadasika indrindra  eo amin'ny tany lemaka sy sisa tavela ao Kambodza sy ny saikanosy Indoshina.” Tsy isalasalana fa Prey...

Ejypta: Mampiasa Twitter Hanampiana Fokontany Mahantra ao Kairo

Rehefa hita ny herin'ny valantserasera tamin'ny revolisiona Ejipsiana, dia nanapa-kevitra hiara-hiasa amin'ny fikambanana manao asa soa ao an-toerana ilay bilaogera Ejipsiana sady mpisiokantserasera Mahmoud Salem (@SandMonkey), mba hanampy azy ireo amin'ny fanangonam-bola amin'ny alalan'ny fampiasana ny herin'ny Twitter ka hanangana fotodrafitrasa amina faritra mahantra ao Kairo. Ezbet Khairalla, no iray amin'ny...

Libya: Ny Fanafahana an'i Tripoli

Tamin'ny 20 Aogositra 2011, no nanomboka ny Hetsika ara-miaramila Mermaid Dawn (zazavavindrano fiposahan'ny masoandro) hanafahana an'i Tripoli ka niantsona ny Allahu Akbar (Lehibe ny Tompo!) hatrany amin'ny moské an-jatony niely manodidina ny tanàna. Ity no fanairana nifanarahana izay nandrasan'ireo mponina ao Tripoli mba hitsanganany toy ny olona iray manoloana ny ratsy....