Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Aogositra, 2011

17 Aogositra 2011

Pero : Fanehoan-kevitra Taorian'ny Fanokanana an'i Ollanta Humala

Ny 28 Jolay, Ollanta Humala dia notokanana ho Filoha vaovaon'i Pero. Ireo fanamarihana sy tsikera avy amin'ny tambajotram-pifandraisana sosialy dia rakotry ny finoana sy fanantenana, hatramin'ny kiana masiaka sy manambany ary fanamarihana mahatsikaiky momba ny fitafian'ny vadin'ny filoha, Nadine Heredia

Zambia: Nametraka ny “Vlaogy” mialoha ny fifidianana ny Mpiserasera

Koa satria moa vonona hiatrika ny fifidianana intelo miantoana manerana ny firenena amin'ny faha-20 ny volana septambra ho avy izao ny Zambiana dia nanapa-kevitra ny hametraka ny hafatra politika sy sosio-ekonomika amin'ny alalan'ny lahatsary Youtube ny mpanao politika Zambiana iray.

15 Aogositra 2011

Zambia: Mitaraina sy Mandoka Amin'ny Làlana Elektronika

Dear Zambia ( na Ho an'i Zambia) dia tsy toy ny Vohikala mahazatra anao izay ny votoatiny dia ireo manampahaizana sady mpikaroka siantifika no mametraka azy ao andamosina ao. Mifanohitra amin'izay, ny ao anatiny dia novokarin'ireo Zambiana voan'ny tsika'ombalahy noho ny zavatra tsy manjary eto amin'ny firenena, na, koa ,...

13 Aogositra 2011

Rosia : Bilaogera Mahita Mpitifitra An-dàlambe

Akon'ny RuNet

Nalaky be tokoa ny valinteny avy amin'ireo bilaogera tao amin'ny aterineto Rosiana taoroan'ny fampakàrana lahatsoratra sy vaovao momba an'i Dmitry Ternovsky , mpaka sary fanta-daza sy bilaogera[ru] izay nisy nitifitra tsy ela akory izay teny an-dàlambe tao atsimo-atsinanan'i Mosko. Milaza ny antsipirihan'ny tantara i Ashley Cleek.

11 Aogositra 2011

Balkana: Ambonin'ny Antsasaky ny Mponina no Mampiasa ny Aterineto

Nitatitra momba ireo vokatry ny fandalinana ny fampiasana ny Aterineto any amin'ny faritr'i Balkana i Danica Radovanovic.

08 Aogositra 2011

Global Voices Podcast 2: Manome Lanja ny Fitenintsika

Miarahaba antsika rehetra! Hiresaka momba ny Fiteny indray isika amin'ity  Global Voices podcast andiany faharoa ity. Azonao jerena ny lahatsoratra maromaro momba ity lohahevitra ity “amin'ny fitenintsika sy ny Aterineto“amin'ny fitantarana manokana nataonay. Ny fomba fiteny, fanoratra, fihetsika, ny firesaka ary fifandraisana ataontsika no toa lohahevitra tsara hiadin-kevitra ka sarotra tokoa...

07 Aogositra 2011

Kenya: Tokony Hanaisotra ny kaontin'i John Mwau ny Facebook

Bilaogera Kenyana Daudi Were no nametraka fanontaniana mahaliana raha toa ka afaka mampihatra ny Dina Kingpin manoloana ny Facebook  izay toa hita fa manao afera miaraka amina Kenyana,  John Harun Mwau, voatondro ho lehiben'ny mpanao aferan-drongony ao an-toerana ny governemanta Amerikana  (Jereo ny “Fanambarana an-gazetin'ny Trano Fotsy). Mandrara ny mpanao aferan-drongony vahiny malaza, ny mpifandray...

Indonezia: Manavao Ny Tetika Hifehezana Ireo Media Sosialy Ny Minisitra

Tifatul Sembiring, Ministry ny IT sy ny Fifandraisana any Indonezia, izay tsy dia ankasitrahan'ny olona loatra, dia nilaza fa tokony ho matotra ny fifehezana ny vohikala media sosialy tahaka ny Twitter sy Facebook satria azo ampiasaina hanakorontanam-panjakàna. Niteraka resa-be ny fanambaràny, indrindra teo anivon'ireo mpampiasa aterineto.

06 Aogositra 2011

Bahrain: Liliane Khalil, Sangy Ratsy Iray Hafa Ao Amin'ny Bilaogy Sa Fampielezan-kevitra?

Ny 2 Aogositra 2011, nanoratra lahatsoratra momba ny famotopotorany ny mombamomban'ny olona antsoina hoe Liliane Khalil (@Liliane_Khalil), voalaza ho Mpanao gazety Arabo-Amerikana ny Britanika iray mpitoraka bilaogy sady mpianatra manomana PhD, Marc Owen Jones (@marcowenjones). Namerina nanamarika ireo kaonty rehetran'ity olona ity any anaty media sosialy i Jones, mba hahafantarany...