· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Jona, 2011

Kolombia: Aoka izay ny finday mihoson-drà

  15 Jona 2011

Olan'ny filaminam-bahoaka ao Kolombia ny halatra finday sy ny famarotana azy ireny eny amin'ny varo-maizina avy eo, ka nahatonga ny governemanta hanapa-kevitra hiatrika azy io tamin'ity taona ity. Saingy araka ny efa nampoizina dia niteraka fanehoan-kevitra samihafa ilay fepetra.

Kambodza: Vehivavy Mpandraharaha sy ny Valantserasera

  15 Jona 2011

Natsangana tao amin'ny facebook ny vondron'ny Vehivavy Kambodziana ao amin'ny fandraharahana ny volana Novambra 2009 mba hizarana ny traikefa ananan'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny fandraharahana sy ny hisiana tambazotra ao Kambodza. Nanomboka hatreo, dia nisy hatrany ny fivoriana notontosain'ny fikambanana izay notohanan'ny Famatsiambola Iraisampirenena ho amin'ny Fiarahamiasa ao Kambodza. Ny herinandro...

Afrika : Manaraka Akaiky An'i Shina I Inda

  12 Jona 2011

Tamin'ny May, tao amin'ny foiben'ny Fiombonambe Afrikana ao Addis-Abeba, Etiopia, no natao ny fihaonana an-tampony faharoa teo amin'i Inda sy Afrika. Ny drafi-piaraha-miasa naroson'i Inda, izay tena samihafa amin'ny an'i Shina dia niteraka fanehoan-kevitra samihafa teo amin'ny tontolon'ny Afrikana miteny frantsay.

Tanzania: Mpikambana ao amin'ny Parlemanta mi-Tweet ny Fisamborana azy

  07 Jona 2011

Zitto Kabwe,  Tanzaniana mpikambana ao amin'ny Parlemanta avy amin'ny antoko mpanohitra Chadema no voasambotra tamin'ny4 Jona teo tao Tanzania afovoany raha vao vita kelikely ny famoriam-bahoaka nataony. Iray amin'ny andiam-pihetsiketsehana goavana nanerana ny firenena ny famoriam-bahoaka nataony izay nokarakain'ny Chadema hatramin'ny fanombohan'ity taona 2011 ity izay matetika  ahiana hisiana herisetra avy amin'ny polisy....

Syria: Fahatapahan'ny Aterineto?

Mirongatra ao amin'ny Twitter ny filazana fa mety misy fahatapahana ankapobeny ny aterineto manerana an'i Syria androany (Zoma). Manohy ny fihetsiketsehana hatrany ny Syriana manohitra ny fitondran'i Al Assad sy ny habibiana ataony amin'ny Syriana. Natao ny fihetsiketsehana Zoma hanamelohana ny fanafihana natao tamin'ireo zaza Syriana. Ny sasany milaza ny...

Pakistana: Nampisaina ny Pakistaney ny TEDx Karachi

  03 Jona 2011

Tetikasa an-toerana ny TEDx , nokarakaraina hifampizaran'ny olona traikefa-TED. Eo amin'ny andiany faharoa ny TEDx Karachi notontosaina ny 27  Mey 2011 tao an-tanàna manana seranana Karachi. Nokarakarain'ny  TED Senior Fellow 2011 sy mpanoratra ao amin'ny Global Voices Advocacy Awab Alvi, ry Sharmeen Obaid Chinoy ary ny hafa koa ny hetsika. Anushka Jatoi...