· Novambra, 2010

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Novambra, 2010

Korea Atsimo: Fifampitifiran'ny Super-Supermarkets (Fivarotana goavambe) any anaty Twitter

  02 Novambra 2010

Raha manao telimoka an'ireo fandraharahàna madinika ireo toeram-pivarotana goavambe, mipongatra kosa ny adihevitra mivaivay ao Korea, na io anaty aterineto na ety ivelany. Ny alin'ny 28 Oktobra, raha tao anatin'ny fandaharam-potoanan'ny Fahitalavitra lehibe iray ny fifanakalozan-dresaka mikasika ny SSM (Super SuperMarket), mpifanandrina roa goavana , ny iray misolo tena ireo mpiombon'antoka goavana ary ny iray mpiaro ny tompona fandraharahàna madinika, no nifamaky ady tao amin'ny Twitter.