Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Septambra, 2010
I Paid A Bribe (Nandoa tsolotra aho): Ezaka any India
“Nanao kolikoly? tsy nanao? tsy nanan-tsafidy? nihàrany? tezitra?" I Paid a Bribe dia mandrisika ny olom-pirenena any India hizara ireo zava-niainany momba ny kolikoly, ary mampiasa ireny tranga ireny mba hamantarana ireo sampana sy dingana tena ahitàna kolikoly ao anivon'ny firenena.
Azerbaijan: Koa satria manakaiky ny fifidianana, dia mirona makany amin'izany ny tambajotra sosialy
Ny 7 Novambra, ho any amin'ny toerana fandatsaham-bato indray i Azerbaijan mba amin'ny fifidianana antenimieram-pirenena ho avy. Tsy manomboka ofisialy ny fanentanana amin'ny fifidianana raha tsy 23 andro alohan'ny andro voatokana hanatanterahana izany, nefa efa misy sahady ireo mariky ny fihetsehana ao amin'ny Facebook.
Namibia: Ny anjara asan'ny haino aman-jery vaovao tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2009
Tamin'ny 27 - 28 Novambra 2009 no nanaovana ireo fifidianana ny filoham-pirenen' i Namibia sy ny fifidianana ny antenimieram-pirenena. Nampiasa fitaovana haino aman-jery sosialy maro ireo antoko politika sy fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana ho fampielezan-kevitra, fanaraha-maso ary fitaterana ireo vaovao momba ny Fifidianana.
Shina: Rafitra fanamarinana ny mombamomba ny olona (ID)
Miady hevitra momba ny fametrahana ny tena anarana ao amin'ilay sehatra fitorahana bilaogy kiritiky ny Baidu, Baidu Shuoba, ireo mpitoraka bilaogy sy mpandefa bitsika (twitterers). Maro no miahiahy fa i Baidu, lohamilina fikarohana lehibe indrindra ao Shina, dia mifampitohy amin'ny raki-tahirin'ny governemanta
Ny Telefónica ao Espana sy ny tsy fiandaniana eo amin'ny aterineto
Mbola miresaka tsy fiandaniana eo amin'ny aterineto indray ireo mpitoraka blaogy Espaniola, fa amin'ity indray mitoraka ity dia tsy ny Fankatoavana ny Google-Verizon sy ny politika arosony ao Etazonia no ifantohana, fa zavatra somary akaiky kokoa sy manana fiatraikany haingana amin'izy ireo: Telefónica (ny mpamatsy faran'izay goavana amin'ny resaka fifandraisan-davitra ao amin'ny...
Maraoka: Mpitoraka bilaogy maharay fandrahonana ho faty
Lahatsoratr'i Hisham nivoaka tao amin'ny Advocacy ny 10 Sep 2010 Kacem dia Maraokana iray mpitoraka bilaogy sady mafana fo, nahitàna fampahafantarana toy izao tamin'ny tranonkalany, Bahmout, mivaky hoe: “tsy manaiky izay mety hambaranao aho, nefa kosa hiady ho an'ny zonao hilaza azy,” mitanisa an'i Voltaire, Filozofy Frantsay . Kacem, izay...
Ejipta: horohoro vaovao indray ho an'ny fahalalahan'ny aterineto
Ao anatin’ny andrana vaovao hametraka sakantsakana amin’ny aterineto ao Ejipta lazaina fa hoe hanaovana izay hiarovana araka ny lalàna ny fizaka-manana ara-tsaina dia namoaka fanapahan-kevi-panjakana ny Ministeran’ny kolontsaina Ejiptiana tamin’ny 31 Aogositra 2010 mba hamafàna ireo tranonkala rehetra mamoaka sary sy feo tsy mifanaraka amin’ny lalàna (lah:28) mifehy ny fizaka-manana ara-tsaina navoaka tamin’ny 2002 tao Ejipta
Sehatr'asa-Cyber nokarakarain'ny Biblioredes natao tao amin'ny Twitter
Ny 10 Aogositra, sehatr'asa-cyber naharitra ora no nokarakarain'ny Biblioredes, tambajotra-na tranombokim-bahoaka Shiliana. Ilay sehatr'asa-cyber dia nampiatranoina tao amin'ny Twitter ary nametrahana ny tenifototra #biblioteca (#library) ho lohahevitra ironana manerantany anatina raharaha ora iray monja. Ilay hetsika dia nikendrena nikendrena ny hampakarana ny mombamomba ireo trano famakiam-boky ho toy ny sehatra fanovozam-pahalalàna eo amin'ny tontolon'ny niomerika
Korea Atsimo: Tatitra toetr'andro mivantana amin'ny alalan'ny Twitter mandritra ny rivo-doza Typhoon
Ny tanàn-dehiben'i Seoul dia nandalo ny iray amin'ireo lozam-pifamoivoizana ratsy indrindra tao anatin'ny folo taona noho ny fandalovan'ny rivo-doza tao amin'ny firenena. Na izany aza ireo mpi-tweet (mpandefa bitsika) dia nanampy tamin'ny fandaminana izany tamin'ny fandefasana ny toetoetry ny làlana, ny fampakarana mivantana ny sarin'ireo manodidina ary ny fizaràna torohevitra ho fisorohana.
Kambodza: Mihamanakaiky ny BarCamp Phnom Penh 2010
Ny BarCamp Phnom Penh 2010, izay ho tontosaina ny 25 ka hatramin'ny 26 Septambra, dia manantena handray 1.000 zo ho eo amin'ireo mpandàla mavitrika ny IT (Teknolojian'ny Informatika).Ity no hetsika BarCamp fahatelo any Kambodia hatramin'ny 2008