Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Oktobra, 2007

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Oktobra, 2007

Nata Blog : Blaogy avy any ambanivohitr'i Afrika

Ny tantaran'ny Blaogin'ny tanàna Nata na the Nata Village Blog dia isan'ireo tantara lafatra momba izay hery sy ako ateraky ny fandraisan'ny vahoaka avy any Afrika anjara fitenenana eto amin'ny sehatry ny fampahalalam-baovao. Ity blaogy iray ity dia any amin'ny tanàna ambanivohitra antsoina hoe Nata any Bôtsoana. I Nata dia...

bengladesh: Mandà ny hamantarana azy ireo ny Mpibilaogy

Fanadihadiana manokana avy amin’ny E-Bangladesh izay namoaka naoty avy amin’ny (Vaomiera Mpandrindra ny Fifandraisandavitra Bengalia) Bangladesh Telecommunication Regulatory Commission (BTRC) izay nampahafantatra amin’ny Internet Service Providers (ISP) 72 na orinasam-pividianana fanovozan-tserasera 72 ao Bengladesh mba hanome ny anaran’ny mpanjifa tsirairay sy hilaza amin’ny antsipirihany izay notovoziny rehetra.  Nampahafantatra ary ny...

Barbàda, Trinite sy Tôbagô : Ireo mpikaroka malaza avy any Karaìba

Ny blaogy avy any Barbàda Titilayo dia nizara ny fahitany tranokala miompana manontolo amin'ireo mpikaroka malaza avy any Karaìba, amin'ny lafiny Siansa, Teknolojia ary Famoronana zava-baovao [Anglisy]. Nicholas Laughlin

Japàna : Fiarakodia mampanofinofy any amin'ny Tokyo Motor Show 2007

I Edo izay mpiblaogy ao amin'ny Pink Tentacle [Anglisy] dia nampiraty ny sarin'ireo sangany amin'ireo tetik'asa-na fiarakodia izay aseho imasom-bahoaka voalohany amin'ilay fampiratiana fiara « Tokyo Motor Show 2007 » [26 Oktobra ka hatramin'ny 11 Novambra]. Oiwan Lam

Kôlômbia : Natolotra ny blaogy mitantara ny seraseram-barotra amin'ny alalan'ny hatsikana ny loka voalohany

Natolotry ny CCIT (Cámara Colombiana de Informática y Telecomunicaciones | Colombian Chamber of Telecommunications and Information Technology) izay ivondronan'ireo orinasa misahana ny serasera infôrmatika sy ny fifandraisan-davitra any Kôlômbia hoa an'i Se nos cayó el sistema [Espagnôla] ny maripankahasitrahana loka voalohany hoan'izay Blaogy Mahafapo Indrindra tamin'ny taona 2007, resaka seraseram-barotra...

Myanmar : Miverina miandalana ny aterineto

Miverina mandeha miandalana ny aterineto any Myanmar araky ny nambaran'i Nyein Chan Yar tao amin'ny blaoginy [Anglisy sy Birmana], mandritra ny 6 ora amin'ny alina. Na dia izany aza, ireo adiresy sasany toa ireo izay ampiantranoan'i blogger.com (blogspot) dia mbola tapaka ihany. I Prachatai kosa dia manaparitaka amin'ny alalan'ny blaoginy...

Philippines: Hevitra taorian'ny fialan'ny fialan'ny filohan'ny Vaomieran'ny fifidianana

Nivelatra be tao anatin’ny fotoana fohy ny raharaha maizina nentin’i Mong Palatino nananika ny lapan’ny filoha Niala tsy satry tamin’ny andraikitra mahafilohan’ny Vaomieran’ny fifidianana azy manko i Benjamin Abalos tamin’ny alatsinainy rehefa voarohirohy nanao zavatra tsy mazava tamin’ny National Broadband Network (NBN) [Fanapariahana ny onjan-tseraseram-pirenena]. Tao amin’ny Lapan’ny antenimieran-doholona tamin’ny herinandro lasa...

Hisy e-varotra ve eto Afrika?

Nahaliana ny adi-hevitra momba ny ho avin’ny e-varotra eto Afrika tamin’iny herinandro lasa iny. Natomboky Oluniyi David Ajao tamin’ny lazan’ny e-gold (vola an-tsoratra manana sandam-bolamena) ao Nigéria ny resaka. Mety hanjohy io fahombiazana io koa ny fandoavam-bola amin’ny alalan’ny karatra hafa eto Afrika :Nahoana no tena tiam-bahoaka ny e-gold ao Nigéria?...