Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Jona, 2014
Nahatsiaro Saina i Schumacher, Mahita Hanihany Atao Ny Twitter Rosiana

Nanomboka ny 29 Desambra 2013 hatramin'ny 16 Jiona 2014, tao anatin'ny tsy fahatsiarovan-tena (coma) ilay mpamily rallye efa misotro-ronono Michael Schumacher. Rehefa nahatsiaro izy ary nandao ny hopitaly, nanararaotra ity tranga ity hamazivaziana ny fanatanjahan-tena sy ny politika ireo mpisera Twitter Rosiana.
Resabola No Mahatonga An'i Kamerona Tsy Te-Hilalao Ny Fiadiana Ho Tompondaka Manerantany
Nandà tsy hiala tao amin'ny hotely misy azy ireo ny ekipa "Lions Indomptables" raha tsy naloa tamin'izy ireo ny Vola tambin-karama amin'ny Fiadiana ho Tompondaka Manerantany izay nomen'ny FIFA hoan'ny mpandray anjara tsirairay ao amin'ny firenena.
Fiderana Manerana an'i Chile Taorian'ny Fandresena Manatantara Manoloana an'i Espaina
Nankalaza ny fandreseny manoloana an'i Espaina nandritra ny Mondialy FIFA Brezila 2014 nanerana ny fireneny ny Shiliana. Nanangona ny sarin'ny fankalazana hita ao amin'ny Twitter hatrany Arica ka hatrany Antarctica izahay.
Mpiandry Harato “Memo” Ochoa, Maherifo Meksikana
Nandritra ny Mondialy FIFA 2014 ao Brezila, tsy isalasalana fa namirapiratra nandritra ny lalao nifaninanan'i Brezila sy i Meksika ny Meksikana mpiandry harato "Memo" Ochoa. Indreto ny fihetseham-po sasantsasany sy ny sary miaraka amin'ny soratra (memes) nifampizarana fatratra tao amin'ny Twitter.
Tsy Lalao Sy Fanalan'Andro Fotsiny Ny Mondialy Na Olaimpika. Noravan'Ity Habaka Ity Izany
Tsy voatery hampisy fiantraikany tsara ho an'ireo tanàna mampiantrano azy ireny lanonam-panatanjahantena ireny. Mangady ny tsara, ny ratsy ary ny mahasosotra amin'ny fampiatranoana ny habaka Sport Better Cities.
Trinite & Tobago: I Kolkata Ve No Nosafidian'i Narine Fa Tsy i Antilles Andrefana?
Tsy nifantina an'i Sunil Narine izay mpanipy baolina mahay ny kaomity mpitantana ny lalao Cricket any Antilles Andrefana amin'ny lalao andrana rehetra mbola ho avy ka hifaninànana amin'i Nouvelle Zélande satria mieritreritra izy ireo fa efa nisafidy hiditra amin'ny ekipan'ny firenena hafa izy.