Tantara mikasika ny Siansa
Nilaza ny kintan'ny hazakazaka Kenyana Eliud Kipchoge fa ‘manafintohina saingy mendri-piderana’ ny fanemorana lalao olaimpika 2020
Nanantena ilay "superstar" Olaimpika Eliud Kipchoge fa efa niandry fatratra ny hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika 2020 ao Tokyo izy. Saingy misy dikany aminy ny fanemorana. "Miaina ao anatin'ny tontolon'ny fanjavozavoana isika," hoy ny nolazainy.
Atahorana ho lany tamingana ny hazo maitsoririnina hitsaboana homamiadana any Nepal
Atahorana ho lany tamingana any Nepal ny hazo Taxus mairei. Mila dingana mivaingana i Nepal mba hiarovana ireo hazo ireo ary mila mampiasa rafitra maharitra amin'ny fitangosana ny ravina.
Nanohina ny mpisera ho mpanavakava-bolonkoditra ny lohatenim-baovaon'ny France24 momba ny COVID-19 aty Afrika
Nahagaga ny manam-pahaizana sasany ny trangana COVID-19 vitsy aty Afrika, araka ny voalazan'ny France24. Maro ny mpisera no nahatsapa ity vaovao ity ho endrika hevi-draikitra momba an'i Afrika ho toy ny lasibatry ny aretina.
Injeniera Peroviana notolorana ny loka iraisam-pirenena tamin'ny hevitry ny galety miady amin'ny tsy fahampian-drà
Ahitana singa fototra telo ny galety izay noforonin'ilay injeniera Peroviana Julio Garay ary miady amin'ny anemia, aretina mpahazo ny efa ho antsasaky ny ankizy Peroviana.
Sambany nahitana leopara maramara tany amin'ny faritra avo Himalayas ao Nepal. Fa ho afa-miangana amin'ny fikorontanan'ny toetrandro ve ireo?
Sambany nahitana leôpara maramara, iray amin'ireo saka mipirimpirina indrindra, tany amin'ny haavo 3498 metatra ambonin'ny ranomasina tao amin'ny Valan-Javaboarim-Pirenena Langtang tao Nepal.
Tonga hatrany Amerika Atsimo ny setroka avy tamin'ny afo tany Aostralia
Namakivaky ny Oseana Pasifika mirefy 12.000 kilometatra ny setroky ny afo be tany Aostralia.
Tsy laitran-doza ve ny ao Karaiba?
Mpiakaroka roa — izay niaiky fa "tsy tonga lafatra ny fomba nampiasain-dry zareo" — no manosoka hevitra fa ireo fanjakana nosy no teorana azo antoka indrindra ho aloha raha sanatria tonga ny apôkalipsa. Fa handray ny rehetra ho tongasoa ve anefa ny Atsimo?
Tena zavadoza tokoa ve ireo vaksiny andrana hanoherana ny Ebola?
Manamafy ny hetsika ataony ny vondrompiarahamonina iraisampirenena mba hamongorana ilay valanaretina. Marobe ireo firenena nilaza fa nahita vaksiny na fanafody ary efa nampiasainy sahady tsy nanaraka ny zotra fanao takiana ho an'ny fanafody rehetra.
Tanora te-hanampy ireo iharan'ny herisetra an-tokantrano ao Albania amin'ny alàlan'ny fampiharana vao noforoniny
Fampiharana iray mampifandray ireo efa sisampatin'ny herisetra an-tokantrano aminà toeram-pialofana, ny polisy ary ireo vondrona mpanohana.
Tompondaka erantany i Etiopia amin'ny fambolena hazo, saingy mbola ho ela ny fiantraikany
Mampangitakitaka ireo tetikasa fambolena hazo marobe, saingy tsy tsotra araka ny fiheverana azy. Mampirisika ireo mpamboly sy miompy madinika ny Send a Cow hamboly hazo azo anavan-javatra maro mifanaraka amin'ny tontolo iainana.