Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Siansa

Tsy laitran-doza ve ny ao Karaiba?

Mpiakaroka roa — izay niaiky fa "tsy tonga lafatra ny fomba nampiasain-dry zareo" — no manosoka hevitra fa ireo fanjakana nosy no teorana azo antoka indrindra ho aloha raha sanatria tonga ny apôkalipsa. Fa handray ny rehetra ho tongasoa ve anefa ny Atsimo?

Tena zavadoza tokoa ve ireo vaksiny andrana hanoherana ny Ebola?

Manamafy ny hetsika ataony ny vondrompiarahamonina iraisampirenena mba hamongorana ilay valanaretina. Marobe ireo firenena nilaza fa nahita vaksiny na fanafody ary efa nampiasainy sahady tsy nanaraka ny zotra fanao takiana ho an'ny fanafody rehetra.

Tanora te-hanampy ireo iharan'ny herisetra an-tokantrano ao Albania amin'ny alàlan'ny fampiharana vao noforoniny

Fampiharana iray mampifandray ireo efa sisampatin'ny herisetra an-tokantrano aminà toeram-pialofana, ny polisy ary ireo vondrona mpanohana.

Tompondaka erantany i Etiopia amin'ny fambolena hazo, saingy mbola ho ela ny fiantraikany

Mampangitakitaka ireo tetikasa fambolena hazo marobe, saingy tsy tsotra araka ny fiheverana azy. Mampirisika ireo mpamboly sy miompy madinika ny Send a Cow hamboly hazo azo anavan-javatra maro mifanaraka amin'ny tontolo iainana.

Mahatsiaro adinoina ny mponina dimy taona taorian'ny fielezan'ny tsimokaretina VIH tany amin'ny kaominina Kambodziana iray

"Nitombo ny fanampiana nasionaly sy iraisampirenena ho azy ireo rehefa niseho ny fielezan'ity otrikaretina ity. Toa nangina anefa izany taty aoriana."

Mandoto ny lazan'i Japana amin'ny fihazana trozona i Neo Zealandy, hoy ny haino aman-jerim-panjakana Japoney

Miha-mafana ao amin'ny andrim-panjakana Japoney ny fanoheran'i Neo Zealandy ny fihazana trozona ao amin'ny Oseana Atsimo, ary maneho ny tsy fankasitrahany ao amin'ny aterineto manoloana ny valintenin'ny fitondrana ireo vahoaka japoney izay manaraka akaiky ny raharaha mahakasika izany.

Voalohany no nahitana katsatsaka leopara tany Nepal

Tsy mbola hita tany Nepal raha tsy amin'izao fotoana ny Katsatsaka leopara. Nahita ary nandrakitra izany ireo mpikatroka, izay lasa karazana gecko faha 11 ho an'i Nepal.

Amerika Iberika: Fihaonan-toby oniversitera ao El Salvador

Tamin'ity herinandro ity tany Salvadaoro, mpankafy teknolojia an-jatony no nivory tao an-drenivohitr'i San Salvador mba handray anjara amin'ny fizarana farany amin'ny Campus Party.

“Tsy maintsy hajaina ny endrika jeopolitika, saingy tsy tokony ho rendrika ao anatiny isika”

"Antenainay mba tsy ho lasa toerana hifanandrinana ny habakabaka"

Taorian'ny Herintaona Nigadràna, Fanamelohana Ho Faty no Atahoran'ireo Iraniàna Mpiaro Tontolo Iainana

Niainga avy tamin'ireo fiaikenkeloka nataon'ny iray tamin'ireo efatra voampangay no nananganan'ny Mpampanoa Lalàna ny maro tamin'ireo raharaha anenjehana ilay vondrona.