· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Siansa tamin'ny Oktobra, 2018

Neil Harbisson: Mihaino ireo Loko

  31 Oktobra 2018

Nanana areti-maso antsoina hoe akrômatopsia i Harbisson, izay mahatonga azy tsy hahay hanavaka ny loko ankoatra ny mainty sy fotsy. Namorona ny "Eyeborg" izy hanampy azy amin'ny fandraisana ireo maridrefy alefan'ny loko ka hamadika azy ireo ho feo misongadina izay reny amin'ny alàlan'ireo taolana ao anatin'ny sofiny.

Fitaovana antserasera hanaraha-maso ny fiovaovan'ny toetr'andro

  13 Oktobra 2018

Namonjy ny Fihaonambe momba ny fiovaovan'ny toetr'andro tany Copenhagen (COP15) tamin'ny desambra 2009, ity ny santionan'ireo fitaovana an-tserasera hanaraha-maso ny fikorontanan'ny toetrandro. Amin'ny fampiasana ireo fitaovana ireo, dia afaka mahafantatra bebe kokoa momba ireo fiantraikany ny olon-tsotra, ary manampy amin'ny fanerena ireo mpanapa-kevitra mba hijery vahaolana.

SIDA 2008: Miady amin'ny SIDA sy miady amin'ny fankahalana pelaka

  08 Oktobra 2018

Raha vao tapitra ny Fihaonambe Iraisam-pirenena XVII momba ny SIDA natao tao an-tanànan'i Mexico City,  iray tamin'ireo olana goavana noresahan'ireo mpandray anjara ny tsy fahombiazan'ny iraisam-pirenena amin'ny fiatrehana ny  VIH / SIDA eo amin'ny lehilahy izay manao firaisana amin'ny lehilahy hafa, izay matetika antsoina hoe MSM.