· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Desambra, 2018

Bilaogera an-jatony no nanohana ireo mpianatra nogadraina tany Iran

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanomboka hetsika mba hahatsiarovana sy hisarihana ny saina momba ireo mpianatry ny oniversite marobe nosamborina nandritra ny volana vitsivitsy, anisan'izany ireo mpianatra miisa telo izay mbola any am-ponja ireo vondrona bilaogera Iraniana. Ny hanomezana anarana vaovao ny bilaogy maro...

MENA: Tsy Hijab izany!

Amin'ity Ramadan ity, dia natomboka ny fanentanana marobe mandrisika ny vehivavy hitafy, na hanitsy ny fomba fitafitian'izy ireo hijab. Niteraka resadresaka teo amin'ny bilaogera ny fanentanana roa tahaka izany tao Iran sy Palestina.

Iran: Bilaogera nogadraina noho ny alikan'ny filoha

(Marihina fa tamin'ny volana Desambra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Reza Valizadeh, 32 taona, mpanao gazety sady bilaogera no lasibatry ny fitoriana avy amin'ny biraon'ny filoham-pirenena Iraniana ary voasambotra tamin'ny 26 Novambra 2007. Bilaogy sy vohikala Iraniana marobe no nilaza fa ny antony lehibe nisamborana azy dia satria nanambara...

Ny Tsiambaratelon'i Ejipta an-dahatsary

Iray amin'ireo lahatsary manala ny saron'ireo tsiambaratelo sy marina mahatsiravina any Ejipta ny "Hideous", mampiseho ny fifanoherana eo amin'ny fiainan'ireo mpanana tsy mivaky loha sy ireo mahantrana eny an-dàlambe. Ny "To H.E Mrs Suzanne Mubarak" kosa mitatitra ny fanararaotana ankizy, ny herisetra ataon'ny mpitandro filaminana ary ny fahantrana lalina.

Tontolo Arabo: Misioka ny Traikefa Hajj

Tamin'ireo Miozolomana 1.8 tapitrisa manao fivahiniana masina, na Hajj, mankao amin'ny tanàna masin'i Mecca, nanana fotoana vitsivitsy nangalarina izy ireo mba handefa hafatra amin'ny tarehintsoratra miisa 140 ho an'izao tontolo izao. Ireto misy sombintsombiny avy amin'ny resaka tao amin'ny tontolon'ny Twitter.

Pakistana: Bilaogin'ny Fiankinandoha

  01 Desambra 2018

Salama, Omer no anarako ary adalan'ny aterineto aho. Efa 8 taona aho izao no miankin-doha amin'ny aterineto ary manaiky aho fa mila fanampiana. Nanomboka tamin'ny fijerena mahazatra ireo vohikala vitsivitsy mpamoaka vaovao ny fiankinandohako, ary hatreo dia nivoatra ho 20 ora tsy diso isan'andro.