Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Fitsipika

Nosakanan'ny manampahefana Tajik ny Facebook ary nampanantsoiny ny filoha tale jeneraliny

Nanome baiko ny fanakanana ny Facebook ny lehiben'ny sampan-draharahan'ny fifandraisandavitra tantanan'ny fanjakana ao Tajikistan ary nangataka ny tale jeneralin'ny tambajotra sosialy mba ho any amin'ny firenena Aziatika Afovoany sy hihaona aminy. Maneso ity manampahefana ity ankehitriny ireo mpisera aterineto Tajik.

Kolombia: Nolavin'ny fitsarana momba ny lalàmpanorenana ny lalàna mifehy ny zon'ny mpamorona

Ny Alarobia alina 23 Janoary 2013, nanambara ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana Kolombiana fa tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana ny andininy faha-13 sy faha-14 ao amin'ny Lalàna 1520, izay fantatra kokoa amin'ny hoe "Lalàna Lleras 2.0", milaza ny fitsarana fa "mandika ny zo fototry ny fanehoan-kevitra sy ny fifandraisana" ny lalàna.

Voasakana any Gambia ny Chat Viber?

Milaza ireo manampahefana ao amin'ny governemanta fa manakana ny fidiram-bola tena ilain'ireo mpamatsy fifandraisandavitra eo an-toerana ny Viber sy ireo tolotra serasera hafa mifototra amin'ny Aterineto. Manolo-kevitra ireo tsikera fa mety anton'ireo fanakanana ny ahiahy ara-politika.

Venezoela: Miroso ny lalàna mifehy ny aterineto, na dia misy fiovana aza

Ny lahatsoratra farany, izay tafaporitsaka tao amin'ny aterineto, dia mbola ahitana ny fitsipika milaza fa tompon'andraikitra amin'ny votoaty rehetra azo idiran'ny mpiseraserany ny mpamatsy tolotra aterineto ary tsy maintsy manana rafitra mba hamerana ireo hafatra voaràran'ny lalàna.

Venezoela: Nampiadi-hevitra be ny lalàna mifehy ny aterineto

Volana maromaro taorian'ny nielezan'ny tsaho, nohamafisina tamin'ny zoma lasa teo fa manomana fanavaozan-dalàna ny governemanta Venezoelana mba hifehezana ny fidirana sy ny fampiasana ny aterineto ao amin'ny firenena.

Venezoela: Mandrahona hampandoa onitra ireo fampahalalam-baovao mitantara ny hetsi-panoherana ny manampahefana

Nandrahona ireo fampahalalam-baovao izay mitantara ireo andiana fihetsiketseham-bahoaka manohitra ny fanagadrana vondrona mpianatry ny oniversite ny manampahefana omaly.

Tenenin'ny olompirenena ny governemanta hifidy ny fisokafana ao amin'ny ITU

Nandrisika ny governemantany hifidy ny fisokafana any amin'ny fihaonamben'ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an'ny Fifandraisandavitra (ITU) ireo mpanandratenin'ny zon'ny aterineto. Raha nanomboka ny Alatsinainy, nanapa-kevitra ireo Fanjakana mpikambana ao amin'ny Firenena Mikambana raha tokony ho hitarina mankany amin'ny fandrindrana ny aterineto ny fahefan'ny ITU - hetsika izay mety handrahona ny fiainana an-takonana...

Haingo Fanampin'ilay Mofomamy Virtoaly: Ny Volavolan-dalàna Jordaniana Mikasika Ny Fifandraisandavitra

Hanome fahefana mivalapatra ho an'ny Vaomieran'ny Fifandraisandavitra mba hanameloka sy hanakana karazana votoaty maro isan-karazany ao anaty aterineto ny volavolan-dalàna iray vaovao mikasika ny fifandraisandavitra.

Maka ny fibahanana aterineto i Aostralia

Indrisy, miha-maro ireo firenena Tandrefana no mandinika ny mety hanivànana ireo tranonkala lazaina fa manohintohina ny fiarahamonina. Frantsa sy Alemaina no mitari-dalana amin'izany ary tsy lavitra aoriana ao i Etazonia.

Fanamarihana sasantsasany momba ny raharaha Noticiero Digital sy ny heloka bevava antserasera

Nandritra ny diabe teo aloha, nanameloka ny tranonkala noticierodigital.com noho ny "famoahana vaovao tsy marina, nanambara ny fahafatesan'ny Minisitra Diosdado Cabello" ny filoha Venezoeliana, Hugo Chávez, ary nandidy ny minisi-panjakana mba hitory ny raharaha.