Tantara mikasika ny Mpitsoa-ponenana
Mpianatra Turkmen: Nandositra an'i Okraina rotidrotiky ny ady
Nandritra ny andro vitsivitsy voalohany tamin'ny ady nataon'i Rosia tamin'i Okraina, tena tsy nisy ny fanampian’ny masoivohon'i Turkmen tamin'ny famindra-toerana ireo mpianatra sy ny olom-pirenena.
#AfricansInUkraine (AfrikànaAoOkraina): Mpianatra izahay, tsy manana fitaovam-piadiana
Olona an'aliny maro no nifindra toerana noho ny fananiham-bohitra ataon'i Rosia ao Okraina. Isan'ireny koa ireo Afrikàna am-pielezana izay tsy maintsy nihetsika nampiasa ny fomba tsy mahazatra no sady miatrika ny fanavakavahana ara-poko eny an-kianja
Fihetsika tsy nampoizina tao Prague taorian'ny fananihambohitra rosiàna tao Okraina
Somary tsy nampoizina, nanova ny fomba fijery an'i Maosko nananan'ilay nafàna fo faran'izay nahataona indrindra tao amin'ny Repoblika Tseky ny fananihambohitra nataon'i Rosia: ny filoha Zeman, izay vao avy nanondro ho "heloka bevava" ny fihetsika nataon'i Maosko.
Mipetraka amin'ny trano mahazaka tondra-drano ny foko Mising any India mba haharaka amin'ny fiovan'ny toetr'andro
Mahavita miaina ao anatin'ny rafi-tranony miavaka sy nentim-paharazana mahazaka tondra-drano antsoina hoe chang ghar, mitsangana eo ambonin'ny tany amin'ny andry volotara ny vondrom-piarahamonina Mising ao amin'ny fanjakana Indiana ao Assam.
Didian'ny Fitsarana Iraisampirenena hanao izay tsy hisian'ny fankahalàna ara-poko i Armenia sy Azerbaijàna
Nodidian'ny fitsarana avo ao amin'ny Firenena Mikambana, ny Fitsaràna Iraisampirenena (CIJ), i Armenia sy Azerbaijàna, mba hiasa “ho fisorohana ny fihantsiana sy fampiroboroboana ny fankahalàna foko” taorian'ilay ady naharitra 44 andro tamin'ny taona lasa.
Manasongadina ny habibiana any amin'ny fonjan'ny mpitsoa-ponenana ao amin'ny nosy Manus, Aostralia ny fahafatesana sy ny daroka
"Natahotra sy reraka tokoa ireo mpitsoa-ponenana ary nilaza izy ireo fa tsy nanome sakafo sy fitsaboana azy ireo ny polisy."
Fifandraisana eo amin'i Tiorkia sy Rosia: “Sarotra be”
Ny 29 Septambra, nihaona tao amin'ny tananan'i Sochi ao amin'ny Ranomasina Mainty Rosiàna ireo mpitarika ny firenena roa tonta, mba hiresaka ny ara-toekarena sy ireo fifanarahana stratejika ary ny fisian'izy ireo any amin'ireo faritra misy fifandonana.
Ny manjò ireo vehivavy Afghàna eo ambany fitarihan'ny Talibana indray
Noho ny fifehezan'ny Taliban an'i Kabul, miatrika hoavy manjavozavo amin'ny fiverenan'ny fiarahamonina mandà ny zon'izy ireo ny vehivavy ao Afghanistan.
Raràn'i Belarus tsy hivezivezy any ivelany ny olom-pirenena, nakaton'ny Vondrona Eoropeana ho an'ny Sidina Belarosiana ny sehatra an'habakabaka
Voaràra vonjimaika tsy handeha any ivelany ny ankamaroan'ny Belarosiana, anisan'izany ireo manana fahazoan-dalana hipetraka maharitra any ivelany, raha noraràn'ny sehatra an'habakabaka Vondrona Eoropeana kosa ny safidy hivezivezy miala sy hiditra ao Belarosy.
Palestiniàna ilay vehivavy mpampianatra mendrika indrindra, hoy ny Papa François
Hoy ilay ramatoa palestiniàna Hanan Al_Hroub : “Ho very ireo ankizy izay nijaly niaritra herisetra raha tsy omena azy ny fanampiana sy ny tohana ilain'izy ireo".