Tantara mikasika ny Mpitsoa-ponenana tamin'ny Septambra, 2015
Aotrisiana Sy Alemà An-jatony Miarahaba Tonga Soa Ireo Mpitsoa-Ponenana Avy Any Hongria
Amin'ny tehaka no andraisan'ireo Aotrisiana sy Alemà izay mitondra, tsy ny hatsaram-panahiny ihany, fa mitondra sakafo, rano madio mahasalama ary kilalao ihany koa ao amin'ny gara ireo mpitsoa-ponenana mamakivaky an'i Aotrisy ho any Alemaina.
Mividiana Penina Iray, Manavota Aina Iray. Nanainga Hetsika Fanangonam-bola Ny Raim-pianakaviana Siriana Iray
The #BuyPens campaign is a collaborative effort to help a Syrian refugee father, recently photographed selling a handful of pens in Beirut, Lebanon. ............. Ezaka Fiaraha-miasa iray mba hanampiana raim-pianakaviana Siriana mpitsoa-ponenana iray ny #MividianaPenina, fakàna sary vao haingana fivarotana ireo penina eran'ny tanana tao Beirut, Lebanon.
Polisy Serba Sy Zazalahy Siriana Velon-tsiky: Mampiseho Amin'i Eoropa Ny Nandraisana Am-pifaliana Ireo Mpitsoa-ponenana
Sary iray ahitàna polisy Serba mitrotro zazakely Siriana iray no nahazo dera avy amin'ireo mpampiasa media sosialy ary antenain-dry zareo mba ho fihetsika arahan'ireo polisy hafa koa
Taona Iray Lavitra An'i Siria
Inona no nitranga tamin'ny Siriana iray mpikatroka mafàna fo, sy ireo idealiny rehefa injay izy nialokaloka tany ivelan'ny fireneny rotiky ny ady?
Ahoana No Ahafahanao Manampy ny Syriana Sy Ny Mpitsoa-ponenana (Hafa)
Ny krizin'ny mpitsoa-ponenana ao Eoropa no nahatonga ny maro nanontany ny fomba handefasana vola fanampiana mivantana sy ny fifantohana amin'ny Syriana sy mpitsoaponenana hafa.
GV Face: Ahoana ny hanokafan'ny mpanampy antsitrapo ao Eoropa ny fony sy ny tranony ho an'ny mpitsoaponenana
Raha mitolona mafy hamaha ny fiakaran'ny krizin'ny mpitsoaponenana ao Eoropa ny governemanta, dia mifandamina kosa ny olompirenena any Gresy, Alemaina, ary Hongria ary manokatra ny varavaran'ny tranony mihitsy aza hampiatranoana ny mpitsoaponenana.
Syriana mpitsoaponenana ao Torkia aho, saingy nanapakevitra ny hody an-tanindrazana
Koa satria heniky ny tatitra misy ireo mpitsoaponenana mananda ny fiainany hiampita an'i Eoropa ny vaovao, dia misy Syriana Kiorda iray izany nahazo fialofana tao Torkia nanapa-kevitra ny hiverina hody.
Dia lavabe sy mampididoza nataon'ny Syriana iray hialokaloka any Eoropa
Talohan'ny ady dia nianatra lalàna tany Libanona i Thair Orfahli ary nitsidika hatrany ny fianakaviany tany Syria. Nanapakevitra ny handao izy rehefa nihamahery vaika ny herisetra.