· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Oktobra, 2018

Manoratra i Tiorkia….

Iray amin'ireo fanehoana faratampony ny fahalalahana maneho hevitra ny fitorahana blaogy, na dia noheverina ho toy ny iray amin'ireo fahotana mahafaty aza izy (noho izy manampy ny hambon'ny mpanoratra): laharam-pahamehana amin'ny tontolontsika maoderina ny blaogy sy ny resaka aterany momba ny fahalalahana maneho hevitra. Nisy hetsika natao tao Tirokia izay nitondra ny resaka teo amin'ny fahalalahana maneho hevitra ho laharampahemehan'ny olom-pirenena Tiorka rehetra tamin'ity herinandro ity.

Sri Lanka : Nampiakatra adi-hevitra i Akon

  16 Oktobra 2018

Mety hanontany tena angamba ianao hoe inona no mety ho vokatry ny rakikira iray? Niteraka adihevitra tao Sri Lanka ilay lahatsarin’i Akon izay sady mpihira no mpamoron-kira R&B, Sexy Chick, izay mampiseho andian-jatovovavy zara fa mitafy sady mandihy amin'ny fety iray eo amoron’ny dobo filomanosana sady manoloana ny sarivongan’i Boddha.

Voadarodaroka ny fahalalahan-gazety ao Filipina

  16 Oktobra 2018

Hatramin'ny nirodanan'ny didy jadona Marcos tamin'ny taona 1986, nosokajiana toy ny amin'ireo malalaka indrindra manerantany ny gazety Filipiana. Saingy tao anatin'izay taona vitsy lasa izay, nahatsikaritra fanafihana miely patrana amin'ny fampahalalam-baovao Filipiana ireo vondrona samihafa.

Rosia: “Ny diabe, karazana..”

Tokony hanao fihetsiketseham-panoherana tamin'ny 6 May tao Moskoa ny mpanohitra Rosiana, ny hariva ny fanokanana an'i Dmitry Medvedev ho solon'ny filoha Vladimir Putin, saingy tsy nanome alalana izany ny manampahefana ao an-tanàna - ka nofoanan'ny fikambanamben'ny mpanohitra, Other Russia ny Diaben'ny Mpanohitra tamin'ny minitra farany.

Azerbaijan : Lahatsary Fanentanana Ho Famotsorana An'ireo Mafana Fo Nofonjaina

  15 Oktobra 2018

Ny fitazonana vao haingana an'ireo roa mafana fo amin'ny tambajotra sy mpitarika ny hetsiky ny tanora ao Azerbaijan, tamin'ny herinandro lasa teo, dia nampisy fahaketrahana tamin'ireo blaogera sy ireo mafana fo tao anatiny ary tany ivelan'i Azerbaijan, ary ankehitriny, fanentanana lahatsary iray no nalefa mba hiantsoana ny governemanta azeri hihetsika mba hamotsotra an'ireo tomponandraikitra roa avy amin'ny hetsiky ny tanora: Adnan Hajizada sy Emin Milli.