· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Jolay, 2018

Goatemalà: 30 Jona, andro mila tsarovana

  07 Jolay 2018

Isan-taona rehefa 30 jona, mankalaza andro fety ny Goatemalteka, rehefa manao matso ao afovoan-tanàna ny Tafika Goatemalteka. Niavaka ny tamin'ity taona ity satria ny bilaogera no tena mpitatitra ny lanonana, sy niatrika zava-tsy fahita firy.

Iran: ny angano sy ny marina momba ny Twitter

Nankalazain'ny fitantaran'ny haino aman-jery iraisam-pirenena momba ny hetsi-panoherana Iraniana nandritra ireo herinandro vitsy lasa ho toy ny fitaovana hikarakarana sy hitaterana momba ny hetsi-panoherana ny 'herin'ny Twitter', saingy nisy vokatra tsara sy voka-dratsy ny fiankinan-doha tamin'ny Twitter tamin'ity krizy ity.

Rosia: Mampihisatra ny fandrosoan'ny hafangainam-pandehan'ny aterineto ny manampahefana eo an-toerana ao Kraskovo

Nivory tao Kraskovo, tanàna kely akaikin'i Moskoa ireo Rosiana mpikatroka, mba hitaky ny fitomboan'ny hafangainam-pandehan'ny Aterineto ary hanohitra ny ampihimamban'ny mpanome tolotra aterineto. Niresaka momba ireo fitsipika tsy voafetran-dàlana izay mampihisatra ny fivoaran'ny fidirana amin'ny aterineto malalaka ao amin'ny firenena ihany koa ireo mpikatroka .