· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Oktobra, 2017

Shina: Ny Fanavotana Ny Lahatsary 

  14 Oktobra 2017

Haingana dia efa nivoaka ny vaovao tamin'ny alalan'ny bilaogy Shinoa  sy ny BBS rehefa nivoaka hanao hetsi-panoherana ny fanambarana farany ofisialy momba ny fanadihadiana mikasika ny fahafatesan'i Dai Haijing, mpampianatra sekoly ambony ny olom-pirenena  an'aliny ao Ruian, Zhejiang na dia teo aza ny fandrarana avy amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra'.

Iran: Nivoaka Ny Efitra Ireo Diplaomaty Nandritra Ny Kabarin'i Ahmadinejad

Nipoitra tamin'ny lohatenim-baovao lehibe indray ny filoham-pirenena Iraniana Mahmoud Ahmadinejad androany, raha nanondro an'i Isiraely ho "fanjakana mpanavakavaka" tamin'ny kabariny nandritra ny fihaonamben'ny Firenena Mikambana momba ny fanavakavahana tany Genève, Soisa. Nivoaka ny efitra ireo solontena avy amin'ny firenena Eoropeana maromaro ho fanoherana ny fanamarihan'i Ahmadinejad.

Pascua Lama, Shily: Famindràna Vongan-dranomandry Telo

  11 Oktobra 2017

Ankoatra izay, tsy misy ny fiarovana ireo harena voajanahary raha araka ny faritan'ity famintinan'ny Atina Chile (Es) ilay tetikasa misy idiran'ny velarantany 24 hektara hanisahana ireo vongandranomandry telo samihafa ity. Mitondra rano ho an'ny lohasahan'i Huasco ireo vongandranomandry.

Bangladesh: Mankalaza Ny Andron'ny Tenin-dReny

  10 Oktobra 2017

Ny 21 no Ekush ho an'ny Bangla, ary midika faha-21 ny hoe Ekushey. Ao Bangladesh, 'Ekushey' dia mitovy dika amin'ny 'Ekushey Febroary' ihany, andro izay ankalazan'ny Bangla ny Hetsika mikasika ny Fiteny sady fanomezam-boninahitra ho an'ireo namoy ny ainy noho ny anarany tamin'ny faha-21 Febroary 1952.