Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Oktobra, 2018

Koety: Mivavaka ho an'i Ejipta Malalaka

Toy ny ambiny manerana izao tontolo izao, manaraka akaiky ny fivoaran'ny toe-javatra ao Ejipta ireo Koetiana mpampiasa aterineto. Manolotra ny fanohanany ho an'ireo Ejiptiana mpanohitra ireo Tweeps (mpibitsika), amin'ny alalan'ny vavaka sy antso ho an'ny fiafaran'ny fitondran'i Mubarak.

Rahoviana i Ejypta vao hamotsotra ilay mpanao gazety mpaka sary Mahmoud Abu Zeid aka Shawkan?

Iray volana mahery taorian'ny didim-pitsaran'ny fitsarana Kairo izay noraisin'ny maro fa fiafaran'ny fijaliany, dia mbola any am-ponja foana i Shawkan.

Shina: Tsy misy mpisolovava ho an'i Hao Wu

(2006) Tsy navela haka mpisolovava i Haozi, ilay blaogera tao Beijing. Manahy avokoa ireo akaiky azy, indrindra ny zokiny vavy izay manao ny faraheriny mba hahitana vahaolana amin'izany.

Shina: Niharan'ny tsikera Shinoa ny Tafika Antserasera Iraniana

Nitazona ny tontolon'ny twitter Shinoa hitabataba saika nandritra tontolo andron'ny talata ny fanafihan'ny Tafika Antserasera Iraniana ny mili-pikarohana lehibe indrindra Baidu.

Singapaoro : dokambarotra maharikoriko ho an'ny Burger King

Manolotra sandwich (mofo voasesika) vaovao antsoina hoe ''Super Seven Incher" ho an'i Singapaoro ny Burger King (Fanamarihana: 7 inch = 18 sm eo ho eo). Mba hampahafantarana ity vokatra vaovao ity, nanao afisy iray izay manintona saina sy tsikera manerana izao tontolo izao ny masoivoho ray mpanao dokambarotra any an-toerana.

Kyrgyzstan: Miakatra ny Vidin'ny mofo, Ketraka be ny vahoaka

Maneho ny horakorany manoloana ny fiakaran'ny vidin'ny mofo ireo blaogera Kyrgyz. Ambany ihany koa ny môraly noho ny fihaonambe iraisampirenena, izay toa hamehy ny fivezivezena ao Bishkek renivohitra. Vaovao tsara? Fitsingerenan'ny taona nahaterahan'ny filoha androany...

Armenia: Tapitra ny Fepetran'ny Tany Latsaka An-katerena, Mitohy ny Hetsi-panoherana

Na dia efa nijanona tamin'ny fomba ofisialy aza ny fepetran'ny tany latsaka ankaterena ao Armenia: mbola mitohy foana ny hetsi-panoherana.

Bitsibitsika Afghana: Fitsarana, Fanavakavahana & Biby Mampalahelo

(2006) Nampiakarina fitsarana ny lehiben'ny sampam-pitsikilovana iray nandritra ny vanim-potoana kaominista noho ny andraikitra tsy azy irery. Mirongatra ihany koa ny fanararaotana ara-pananahana ireo biby sy ankizilahikely ao Afghanistana.

Hetsika ao Nepal, Andro faha-3: Baiko Hitifitra Raha Mahita

(2006) Manohy ny manosika ny tenany mankany any amin'ny zoro teritery kokoa ny mpanjakan'i Nepal. Nandingana ny dingana mialoha ny farany izy. Napetrany ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina.

Andro faha-2: Hetsika ho an'ny Demokrasia tao Nepal

Mihoatra ny arivo no voasambotra, maro ireo voadaroka, maro no maty, ary nandrahona ny hampihatra lalàna miaramila ny Minisitry ny Atitany, i Kamal Thapa.