· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Oktobra, 2017

Iran: Fizarana Ovy Maimaim-poana Niteraka Resabe Momba Ny Fifidianana

Nizara ovy maimaim-poana tany amin'ireo tanàna samihafa ireo manampahefana iraniana tato anatin'ny herinandro vitsivitsy. Mpanao politika Iraniana maromaro no nanakiana ity fizarana ovy maimaim-potoana nataon'ny fitondràn'ny governemantan'i Mahmoud Ahmadinejad ity ho toy ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana filoham-pirenena ary miantso izany ho fandaniam-bolam-bahoaka fotsiny.

Iran: Manao Fihetsiketsehana Manerantany Ny Iraniana

Raha maro ireo vavolombelona tao Teheran nilaza fa nipoaka ny fifandonana lehibe teo amin'ny mpitandro ny filaminana Iraniana sy ny mpanao fihetsiketsehana mankalaza ny tsingerintaona voalohan'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 jona, nisy ihany koa ny hetsi-panoherana nitranga tany amin'ireo tanàna maro samihafa manerantany, tahaka ny tao Ankara, Torkia, Vancouver, Canada.

Feo Avy Ao Zimbaboe

  16 Oktobra 2017

Taorian'ny tatitra vao haingana nilaza ny fihenan'ny fihanaky ny VIH/SIDA ao Zimbaboe, nifantoka tany amin'ny fiantraikan'ny fanentanana iadiana amin'ny SIDA eo amin'ny fitondran-tena sy ny soatoavina nentim-paharazana Zimbaboeana ny maso ankehitriny.

Iràna: Dr. Hesam Firouzi, Bilaogera Iray Hafa Naiditra Am-ponja

Ilay bilaogera sady mpitsabo, Dr. Hesam Firouzi, no nahazo tsilian-tsofina tsy ela akory izay, tamin'ny alàlan'ny mpisolovava azy, momba ny fahafatesan'ilay bilaogera, Omid Reza Mir Sayafi tany am-ponjan'i Evin tao Teheràna. Nilaza izy fa nanaitra ireo manampahefana miandraikitra ny fonja mba hoalefa hamonjy hopitaly ilay gadra miady amin'ny fahafatesana, saingy nolavin-dry zareo.