· Aogositra, 2017

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Aogositra, 2017

Ny Latabatry Ny Feo Malalaka

  09 Aogositra 2017

Nanana ny laza ratsiny i Bebelplatz, ilay kianja ao Berlin akaikin'ny toerana fananaovana fampisehoana tantara an-tsehatra an'ny fanjakana sy ny Oniversiten'i Humboldt fa tamin'ny taona 1933 no nandoroan'ny tanora Nazi, tao boky teo ho eo amin'ny 20 000 isa teo. Nofafan'ny hetsika iray izany avy eo.

Myanmar : Tapaka ny Aterineto

  08 Aogositra 2017

Manohana faobe an'ireo fihetsiketsehana ankehitriny ny bilaogera Birmana ary feno sary sy vaovao momba izany fihetsiketsehana izany ny tontolon'ny bilaogy Birmana. Noho izany antony izany, nanapa-kevitra handràra ny bilaogy politika, ny fitondrana miaramila, vokatr'izany, voaràra avokoa ireo bilaogy hafa ao Myanmar.

Ekoadaoro: Vondrona Ara-tsosialy Manao Dia Be Ho Fankalazana ny Andron'ny Asa

  02 Aogositra 2017

Toy ny firenena maro manerana izao tontolo izao, nankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Mpiasa rehefa 1 May ny Ekoadoriana. Lasa andro ara-tantara iray nitoloman'ny mpiasa rehetra manerana ny firenena hanànana fepetram-piasàna tsaratsara kokoa, na efa natao ho andro tsy fiasana tamin'ny fomba ofisialy aza izany tao amin'ny firenena tamin'ny 1915.

Palestina: Ireo “Mpandeha Lavitra Hoan'ny Fahalalahana” Mihantsy ny Fanavakavahana Anaty Fiara Fitateram-bahoaka

Ny 15 Novambra, andiana Palestiniana mpikatroka no voasambotra raha iny nandeha tanaty fiara fitateram-bahoaka nitatitra israeliana mpanjanaka iny. Miantso ny tenany hoe “The Freedom Riders” (Ireo Mpandeha Lavitra Hoan'ny fahalalahana) ireo mpikatroka ireo, hevitra nalaina avy amin'ireo amerikana mafana fo mpiaro ireo zo sivily tamin'ny taona 1961

Ejipta: SCAF – Ny Andry Faran'ny Trano?

Tao anatin'ireo andro vitsy lasa, vavolombelon'ny fitazonana an'ilay mpitoraka bilaogy efa zokinjokiny, i Alaa Abd El Fattah, izahay, voafonja izy ary nampijaliana nandra-pahafaty tao am-ponja, ary ireo zava-nitranga hafa izay nampanontany ireo Ejiptiana mpitoraka bilaogy hoe hiverina eny an-dalambe indray ve isika.