Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jolay, 2013

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Jolay, 2013

Hoy Ejipta : “Tsy Fanonganam-panjakana io”

Ny fitsabahan'i Etazonia amin'ny raharahan'ny Ejiptiana - sy ny resaka resahan'ny filazam-baovao anaty aterineto, indrindra ny CNN, mikasika ny fivoarana ara-politika ao Ejipta - no namaivay be ny alina lasa teo. Nahitàna fankalazana nanerana ny firenena ny fanalàna ilay filoham-pirenena Mohamed Morsi taorian'ny herintaona nitondràny, teo ihany koa ny andianà...

Ejipta : Ady Amin'ny Herisetra Ara-nofo Eo Amin'ny Kianja Tahrir

Ny andron'ny tsingerintaona voalohany nitondran'ilay Filoha teo aloha Mohamed Morsi, Ejiptiana an-tapitrisany no nanao hetsika ho fanoherana ny fitondrany. Raha iny nihafeno iny ny kianja Tahrir, izay ivon'ny revolisiona Ejiptiana tao afovoan-tanànan'i Kairo, dia nijoro nanohitra ny herisetra ara-nofo atao amin'ireo vehivavy mpanao hetsi-panoherana ireo fikambanana miady amin'ny herisetra ara-nofo....

St. Kitts & Nevis: Eo Am-Panoherana ny Praiminisitra

Tsy fahita firy ao amin'ny politika any Karaiba, izay masiaka ny firaiketam-po amin'antoko, saingy tafakatra avo kosa ny fifanenjanana politika ao St. Kitts and Nevis taorian'ny fialan'ny minisitra zokiolona roa tamin'ny Antokon'ny Mpiasa St. Kitts and Nevis mitondra amin'izao fotoana izao izay misy ny Praiminisitra Denzil Douglas. Izany fihetsika izany...

Lahatsary : Miely Manerana An'i Brezila Ny Hetsi-panoherana ‘Fitroarana Vinaigitra’ Mitsipaka Ny Fiakaran'ny Saran-dalana

Efa miparitaka manerana ny tanana ilay onjam-panoherana manohitra ny fiakaran'ny saran-dalana ao São Paulo ary lasa hetsika nasionaly mihitsy.

Mifandona Manerana an'i Ejipta ny Mpanohana sy Mpanohitra an'i Morsi

Nitranga androany 6 jolay 2013 ny fifandonana nahiana indrindra eo amin'ny mpanohana ny Mpirahalahy Miozolomana sy ny mpanao fihetsiketsehana niantsony ny hanonganana ny filoha ejipsiana teo aloha Mohamed Morsi. Tantarain'ny fantsona fahitalavitra ao amin'ny firenena sy iraisampirenena ny toe-javatra. Farafahakeliny 17 ny olona maty ary mihoatra ny 400 ny mpanao...

Sary Maro : Ny Polisy Nihodidina Ireo Mpanao Hetsi-panoherana Tao Rio, Ireo Mponina Niatrika Ny Baomba Mandatsa-dranomaso, Ary Ireo Bala Fingotra

Herinandro lasa izay, Naka sary ilay hetsi-panoherana tao Rio de Janeiro ilay mpaka sary Calé ny 20 Jona ary hitany ireo polisy nitoraka baomba mandatsa-dranomaso sy nitifitra bala fingotra mba "hanaparitahana ny vahoaka tsy hijanona eo amin'ny lalàmben'ny Rio, tanatinà fanararaotam-pahefana tanteraka". Ireto sary manaraka ireto no vokatr'izany sy ny...

Tian'ny Ejipsiana Haongana ny Fitondrana

Nomarihin'ny vahoaka Ejipsiana ny [30 Jona] ny fahatsiarovana ny nitondran'ny filoha Mohamed Morsi voalohany ny firenena, miaraka amina famoriam-bahoaka goavana nanerana an'i Ejipta, niantsoana azy handao ny toerany. Fampielezan-kevitra manohitra an'i Morsi atao hoe Tamarrod [ar], izay midika hoe fanoherana, no manamafy fa 22 tapitrisa ireo sonian'olon-tsotra voaangona hatramin'izao, izay...

Naongan'ny Ejipsiana i Morsi sy ny Fitondran'ny Mpirahalahy Miozolomana

Tapaka hatreo ny herintaona nitondran'i Morsi, taorian'ny fihetsiketsehana lehibe nanerana an'i Ejipta niantso azy hiala nanomboka tamin'ny 30 Jona. Ny komandin'ny Tafika Ejipsiana Abdel Fattah Al Sisi no nanambara nandritra ny mivantana minitra vitsivitsy lasa izay fa ny Lehiben'ny Fitsarana Momba ny Lalampanorenana Adly Mansour no ho filoha vonjimaika vaovao...

Mitabataba Ao Amin'ny Twitter Ny Filoha Ejipsiana Teo Aloha Morsi

Tsy filohan'i Ejipta intsony ny Filoha Mohamed Morsi. Fa na izany aza dia mitabataba ao amin'ny kaontiny voamarina ao amin'ny Twitter @EgyPresidency izy.

Fiantraikan'i Brezila: Olona an'Arivony Mihetsiketsika ‘Ho Amin'i Paragoay Tsara Kokoa’

Olona manodidina ny 3000 eo ho eo [es] no nidina an-dalamben'ny renivohitr'i Paragoay mba handrenesan'ny ao amin'ny antenimiera azy, taorian'ny fironana fihetsiketsehana ao Brezila herinandro vitsivitsy lasa izay. Notontosaina tamin'ny alalan'ny tambajotra sosialy, tamin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #porunparaguaymejor. [“Ho amin'i Paragoay tsaratsara kokoa”] ny fanentanana ny sivily hiomana ho amin'ny...