Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jona, 2013

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Jona, 2013

Tiorkia: “Hazo Iray No Maty, Firenena Iray Manontolo No Mitsangana”

Nivadika ho herisetra ny raharaha tany Istanbul rehefa nanaparitaka ny mpanohitra izay nanao izany ampilaminana ny mpitandro ny filaminana ny Zoma 31 May teo. Efa ho dimy andro lasa no nanombohan'ny fitokonana andalam-be ampilaminana nahitàna vondron'olona maro niaraka nanohitra ny drafitry ny governemanta hanavaozana ny tanan-dehibe amin'ny fanalàna ireo hazo...

Tiorkia: Fifandimbiasam-baovao Ara-tsosialy Mikasika Ny Fibodoana An'i Gezi

Ny 10 Aprily 2013, tenifototra iray tao amin'ny tontolon'ny bitsika no nanambara ny #ayagakalk (izay hadika hoe "mitsangàna"). Antso avy aminà vondrona kelin'ireo mahery fò izay miezaka miaro ny kianja Gezi ao Taksim, manohitra ireo drafitra fanorenana tranombarotra goavana- eo amin'ilay faritra. Tsy nisy nihevitra io trangan-javatra kely io hivadika...

Didim-Pitsarana Indiana Manome Vahana Ireo Zo Ara-poko Mikasika Ny Drafi-Pitrandrahan'ny Vendata

Ny 18 Aprily 2013, ny Fitsarana Avon'i India dia namoaka didy hoe tokony handray ny fanapahan-kevitra farany ireo mpanolotsain'ny tanàna mikasika ny ho fahafahana mitrandraka bauxite any amin'ny fanjakana atsinanan'i Odisha ho an'ny Vedanta Resources. ilay orinasa Britanika miteraka resabe. Maniry hitrandraka eo amin'ny nosy Dongria Kondh izay ataon'ny olona...

Famoronana Syriana: Radio SouriaLi Mampiely Ny Feo Amin'ny Aterineto

Ny Radio SouriaLi, natsangan'andia-tanora Syriana avy amin'ny tontolo isan-karazany, dia iray amin'ireo tetikasa sy fandraisana an-tanana maro misongadina avy amin'ny filana haneho hevitra sy ny fikendrena hahapaka hatrany amin'ny Syriana rehetra, tsy ijerena foko, fahaizana na fivavahana niaviana.

Tsingerin'ny Tao Tiananmen, An'Aliny Nivory Ambany Orana Tany Hong Kong

Olona an'aliny no nisedra oram-baratra,tao amin'ny zaridaina Victoria tao Hong Kong ho fahatsiarovana ny faha-24 taona nisian'ny Fandripahana tao amin'ny kianjan'i Tiananmen tamin'ny alalan'ny fiareta-tory

Entona Mandatsa-dranomaso Sy Tifitra Rano Ho An'Ireo Mpamonjy Fetin'ny Asa Tany Istambul

Novangian'ny matoatoa Istambul, tanàna lehibe any Torkia, noho ny herisetra niseho tao tamin'ny 1 May 2013 taorian'ny telo taona nankalazana ny Fetin'ny Asa tamim-pilaminana teo amin'ny kianjan'i Taksim. Voafetran'ny fanamboarana ilay toerana sy ny fepetra noraisin'ny mpitantana ny tanàna dia nanjary tany fiadiana ilay tanàn-dehibe misy mponina 15 tapitrisa ary...

Video: Hiakam-Pahatezeran'Olona Anarivony Manohitra ny Fitondrana Iraniana Nandritra Ny Fandevenana Ayatollah Iray

Olona an'arivony tao Isfahan, Iran no nandray anjara tamin'ny diabem-pandevenana ny Ayatollah Jalal Al-Din Taheri tamin'ny 4 Jona 2013. Olo-malaza ara-pivavahana zokiolona izy sady feo mpitsikera ireo henjakenjana amin'ny fiarovana ny fitondrana

Mozambika : Mitokona Mitaky Karama Ambonimbony Kokoa Ireo Mpiasan'ny Fahasalamana

Nitokona nandritra ny folo andro ny mpiasan'ny fahasalamana mozambikana, nitarika tany amin'ny fiatoan'ny asa atao any amin'ny toeram-pitsaboana maro manerana ny firenena. Ny fisondrotan-karama, ny fampitoviana, ary ny fanamboarana ny saran'ny ao amin'ny sampan-draharahan'ny vonjy aina amin'ny tobim-pitsaboana manerana ny firenena no fototry ny fitakiana ataony amin'ny governemanta.