· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Novambra, 2012

Diabe Lavitr'ezaka 300 Km Ho Fanoherana Ny Toby Fanadiovana Vovo-tany Ao Malezia

  23 Novambra 2012

Tamin'ny 13 Novambra 2012, noesorin'ny Fitsarana Ambony Maleziana ny fampiatoana roa volana ny fahazoan-dalana nomena ilay orinasa mpitrandraka Vovo-tany Tsy Fahita Firy, Lynas Corporation, mba ahafahany hitrandraka ny Vovo-tany Tsy Fahita Firy ao Pahang, Malezia. Taitra tamin'ny fahalotoana manimba ny tontolo iainana [zh] avy amin'ny vovo-tany tsy fahita firy ao Shina ny vondrona...

Nahoana No Tsy Tokony Avela Tsy Hisazy Ny Hala-bato Ao Okraina

  23 Novambra 2012

Rakotry ny ahiahy mikasika ny mety ho fisian'ny hala-bato sy endrika kolikoly hafa koa ny fifidianana parlemantera farany teo tao Okraina. Veronica Khokhlova no mampibaribary ny sasany amin'ireo kiana nakarin'ny fiarahamonina sivily Okrainiana manohitra ilay fifidianana, sady milaza fa fotoana izao tokony hiraisan'ny mpanohitra hina manodidina tolona iray iombonana.

Afrika: Fihazana Tsy Ara-dalàna Ireo Elefanta ao Mozambika

  22 Novambra 2012

Nitantara momba ny fihazana tsy ara-dalàna ireo elefanta ao amin'ny valan-javaboaharin'i Mareja [anglisy], ao Cabo Delgado, avaratr'i Mozambika ny lahatsoratra nivoaka tao amin'ny gazety @Verdade. Araka ny voalaza ao amin'ny lahatsoratra, andiana mpihaza an-tsokosoko miaraka amin'ny «fitaovam-piadiana arifomba» no « mamono ireo elefanta» ary «maka ampahany goavambe amin'izany» : Isan-kerinandro, biby roa farafahakeliny no vonoina, mba...

Vahoaka Maleziana Manohitra Ny Fanadiovana ‘Terre Rare’ / Vovo-tany Tsy Fahita Firy

  22 Novambra 2012

Voalaza fa hanangana ny toeram-panadiovana lehibe indrindra manerantany amin'ny resaka Vovo-tany Tsy Fahita Firy i Malezia taorian'ny nandàvan'ny fitsarana ireo fanangonan-sonia hanafoanana ny fahazoan-dàlana nomen'ny governemanta ho an'io tetikasa voalaza io. Setrin'izay, vondrana maro samihafa mpiahy ny tontolo iainana, mponina sy olom-pirenena velon'ahiahy no nanao dingana niroso tamin'ny hetsi-panoherana ilay fotodrafitrasa. Ireo mankasitraka dia milaza fa hitondra tombontsoa ho an'ny toekarena ao Malezia ilay tetikasa saingy marobe ireo vondrona miasa loha amin'ny lafy ratsy entin'izy io ho an'ny tontolo iainana sy ny fahasalamana.

Voadaroka Ireo Maraokanina Nandritra Ny Hetsi-panoherana ny Tetibolan'ny Mpanjaka

Nanao fihetsiketsehana tao an-drenivohitra Rabat ny Maraokanina androany ho fanoherana ny tetibolan'ny mpanjaka. Niharan'ny famoretana feno herisetra nataon'ny polisy anefa ny fihetsiketsehana nataon'izy ireo, ka voadaroka ireo mpikatroka, sy mpanao gazety izay tonga saiky hitantara ny fandehan'ny hetsika. Nanambara ny tati-baovao fa vola 700.000 Euro  isan'andro amin'ny tetibolam-panjakana no lany amin'ny...

Manohitra Ny Ady Miaramila Atao Ao Gaza ny Isiraeliana

Nanentana ireo Isiraeliana an-jatony ny vondrona Facebook omaly mba ho tonga hanao fihetsiketsehana ao amin'ny kianjan'i Tel Aviv, Habima. Niantso ireo vahoaka ny vondrona mba “Hanohitra ny ady noho ny fifidianana! Handà ny ho faty na hovonoina noho ny antony ara-politika.” Nanomboka tamin'ny 14 Novambra teo ny fifampitifirana teo amin'i Hamas sy...