· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Jolay, 2012

Shily: Mananontanona ny lalàna manohitra ny fihetsiketsehana

  16 Jolay 2012

Niantso ny Kongresy hanaiky ny lalàna izay mitady sazy henjana kokoa ho an'ny mpanao fihetsiketsehana ny minisitry atitany Shiliana Rodrigo Hinzpeter, fanavaozana ny fadihevitra  tamin'ny herintaona tao an-toerana ihany izany. Nanomboka norafetina ilay lalàna taorian'ny diabe nataon'ireo mpianatra tao Santiago ny 28 Jona 2011, fihetsiketsehana izay niafara tamin'ny fifandonana mahery vaika...

India: Miparitaka Ny Lahatsary Mampiseho Herisetra Sy Vetaveta, Mampieritreritra Ny Fitsipiky Ny Fampielezam-baovao

  16 Jolay 2012

Raha tokony nanampy ny zazavavy Indiana iray notafihan'ny lehilahy 20 ivelan'ny toeram-pisotroan-toaka any Guwahati ny "caméraman" iray avy amin'ny fahitalavitra any an-toerana, naleony kosa nandrakitra lahatsary 30 minitra avy amin'izany tranga izany. Niparitaka be izany lahatsary izany, ka be ny fanontaniana mipetraka momba ny fitsipiky ny fampielezam-baovao, ary mampanontany tena hoe lasa firenen'olona mpitazam-potsiny ve India.

Ethiopia: Mahazo Vahana Ny Fanoheran'ny Miozolomana

  15 Jolay 2012

Miha-mipoitra tsikelikely ny fahazotoan'ny miozolomana Ethiopiana manohitra ny fitsabahan'ny fitondrana mihamivandravandra amin'ny raharaham-pivavahany rehefa nanao fanentanana an-tserasera ry zareo tamin'ny volana Mey. Ary rehefa tafidina an-dalambe ny fahazotoan-dry zareo an-tserasera dia nanomboka nampiasa hery tamin'ny mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro ny filaminana federaly Ethiopiana. Araka ny nolazain'ireo mpikatroka ao an-toerana manoratra ao...

Ejipta: Iharan'ny herisetra ny Vehivavy Ao Amin'ny Kianja Tahrir

Vantany nambara ho Filoham-pirenena vaovao ao Ejipta i Mohamed Morsi dia nirohotra tao amin'ny kianja Tahrir ny vahoaka hankalaza izany. heniky ny firavoravoana sy ny hiaka ity toerana, izay foiben'ny revolisiona ejipsiana, ity. Nanazava tambonin'ny lanitra ny afomanga, saingy nisy zavatra mampalahelo  nitranga nandritra izany lanonana izany. Nitantara ny fijaliany i Natasha Smith Mpanao gazety fa...

Koety: Manohy Fikomiana Ny Vondrom-piarahamonin'ireo Tsy Manana Zom-pirenena

Ny vondrom-piarahamonin'ireo tsy manana zom-pirenena any Koety (Bedoon) dia niady ho an'ny zony hanana taratasy sy ho olom-pirenena hatramin'ny volana Febroary 2011 ary ny mpampiasa aterineto dia nitodika tany amin'ny haino aman-jery sosialy mba handrenesana ny feony. Ny hetsi-panoheran'ny Zoma dia navadika ho Sabotsy ary ny andro fitakiana ny zo dia nivadika ho fifandonana tamin'ny polisy.

Kenya : Antso Firaisankina Taorian'ny Fanapoahana Baomba

  10 Jolay 2012

Andro vitsivitsy monja taorian'ny nanokafana ny Vovonana GV2012 tao Nairobi, nahitana fanapoahana baomba mahafaty sy fakana an-keriny tao an-tanànan'i Mombassa sy Garissa tao Kenya. Ny voalohany volana jolay, tao an-tanàndehibe kenyana ao Garissa, ny andian'olona misarontava namono olona 17 sy nandratra olona 45 tamin'ny alalan'ny fanafihana mita-piadiana sy grenady tamin'ny fiangonana anankiroa.

Brezila: Adihevitra Momba Ny Fiterahana Natoraly

  05 Jolay 2012

Ho an'ny Fikambanana Iraisampirenena ho an'ny Fahasalamana dia 15% ny fiterahana ihany no tokony handalo fandidiana. Na izany aza, eo amin'ny sehatra tsy miankina Breziliana, maherin'ny 85% amin'ny fiterahana no mandalo fandidiana (sezarienina). Tsy ela kory izay, ny hantsana goavana misy eo anelanelan'ilay isan-jato natolotra sy ny tena zava-misy dia niteraka adihevitra iray sy hetsi-panoherana tao Brezila. Tao amin'ilay hetsi-panoherana, nokiahan'ireo mafàna fo ny hoe: "Dokotera, aza manadala ahy ianao. Natao [mba] hampanankarena anao ny fandidiana " Caesarians"