· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Septambra, 2011

Angola: Lahatsarin'ny Famoretana Ny Fihetsiketsehan'ny Tanora Tao Luanda

  06 Septambra 2011

Ny Asabotsy 3 Septambra 2011 dia nisy tanora teo ho eo amin'ny 200 teo no nivory tany Luanda, Angola ho fanoherana ny tsy fahampian'ny fahafahana sy ny fitondran'ny Filoha José Eduardo dos Santos nandritra ny 32 taona. Araka ny nolazain'ny vavolombelona dia niafara tamin'ny fikapohan'ny polisy ny mpanao fihetsiketsehana izany fanoherana izany.

Myanmar: Sarintanin'ny Fonja Iaraha-manoro

  04 Septambra 2011

Nisy Sarintanin'ny Fonja Iaraha-manoro ao Myanmar natsangana ho fanohanana ny hetsika fanafahana ny mpanao gazetin-dahatsary ‘Free Burma’. Ny sarintany dia mijery sy manome fampahafantarana fohy momba ny fonja 43 ao Myanmar. Mpanao gazetin-dahatsarin'ny Democratic Voice of Burma miisa 17 no voatazona ankehitriny.

Brezila: Hetsika Manerantany Manohitra ny Tohodrano Belo Monte an-tsary sy lahatsary

  01 Septambra 2011

Nisandrahaka manerantany ny fihetsiketseham-panoherana ny fananganana ny tohodrano Belo Monte ny 19 ka hatramin'ny 22 Aogositra 2011. Na dia efa nanomboka aza ny asam-pananganana ity tohodrano ity, dia manomana fihetsiketseham-panoherana an'aterineto sy eny an-dalamben'ny tanàna maro any Brezila sy manoloana ny masoivoho sy Kaonsilà Breziliana ny mponina. Miaro ny mponina...