Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Desambra, 2021
Mitaky fepetra tsara kokoa hanatontosany ny asany ireo mpiasan'ny fahasalamana any Torkia
Nanao diabe avy any Istanbul nankany Ankara ireto mpiasan'ny fahasalamana ireto mba hisarihana ny saina amin'ny fepetra henjana atrehan'izy ireo nandritra ny valan’aretina, anisan'izany ny fandrahonana, ny ora lava amin’ny fiasana ary ny fahasahiranana ara-toekarena.
Niatrika bala fingotra, baomba mandatsa-dranomaso alefan'ny polisy ny vehivavy tao Torkia rehefa nanao diabe hampitsaharana ny herisetra satria lahy/vavy
Ny fitakiana voalohany dia ny hidiran'i Tiorka indray amin'ny Fifanarahana Istanbul — fifanarahana iraisam-pirenena miantoka ny fanafoanana ny herisetra an-tokantrano ary mampiroborobo ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, fifanarahana izay nialàn'i Torkia tamin'ity taona ity.
Nosamborin'ny polisy Indoneziana ireo mpianatra nilanja saina ‘Fetim-pahaleovantena Papoaziatika’ voarara
Ny 1 Desambra 2021, heverina fa tsy andro ofisialy amin'ny fetim-pahaleovantenan'i Papoazia Andrefana, nomarihana ny faha-60 taona nanofahofan'ny Papoaziatika voalohany ny sainam-pirenena Kintan'ny Maraina tamin'ny fikatsahana ny fahaleovantena avy amin'ny Holandey.
Miteraka tsikera ny fahalalahana bebe nomen'ny manampahefana misahana ny tontolo iainana ao Bangladesh ho an'ny sehatrasan'ny fandravana sambo
Mitsikera ny fanapahan-kevitra farany noraisin'ireo manam-pahefana misahana ny tontolo iainana izany nampidina ny satan'ny indostrian'ny fandravana sambo avy amin'ny loko mena ho lasa volomboaosary ireo mpikatroka ao Bangladesh.ù!