Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Janoary, 2019
Enjehin'i Shina amin'ny anaran'ny Marxisma ireo elatra havia mahaleotena
Raha maro amin'ireo Marxista ireo no matoky ny tolon'ny mpiasa ho hery mpitarika mankany amin'ny fanovana ara-tsosialy sy politika, ireo ideôlôgy shinoa kosa mihevitra ireto tanora elatra havia izay miara-mijoro hitaky ny zon'ny mpiasa ireto ho mpanakorontana.
‘Atsaharo ny famonoana anay vehivavy’ — fanentanana vaovao manohitra ny herisetra an-tokantrano ao Angola
Tena misy ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy, tena misy tokoa. Tsy zavatra ao an-dohan'ireo mpiaro vehivavy izany, tsy zava-poronina na kabary tsy misy dikany: TENA MISY IZANY!
Mpanao gazety an-dahatsary indizeny sady mpikatroka novonoina tany India
Tsy nanan-tahotra nitatitra momba ny olana atrehin'ny vondrom-piarahamonina indizeny manerana an'i Jharkhand, India ilay mpitati-baovaon'ny vondrom-piarahamonina antsoina hoe Amit. Mbola tsy hita ireo namono azy roa herinandro taty aorian'ny famonoana.
Nanao fihetsiketsehana isak'alina ny Hongroà hanoherana ny rafi-pitsarana vaovao sy ilay antsoina hoe “Lalànan'ny Fanandevozana”
Nanao hetsi-panoherana teo anoloan'ny lapan'ny Parlemanta sy nanerana an'i Budapest ny Hongroà hatramin'ny nandanian'ny antoko elatra ankavanana an'i Viktor Orbán ny volavolan-dalàna ahafahan'ireo mpampiasa mitaky asa fanampiny 400 ora isan-taona amin'ny mpiasa sy volavolan-dalàna mety hanamora ny fitoriana iarahana amin'ireo mpitsara tsy mivadika amin'ny antokon'i Orbán.