Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2017

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Novambra, 2017

Bitsibitsiky ny Afghana: Fianjerana Fiaramanidina & Fitroarana

Araka ny filazan'ny haino aman-jery herinandro lasa teo izay, niparitaka manerana ny renivohitra ny fihetsiketsehana mahery setra manohitra ny vahiny tamin'ny Alatsinainy rehefa nandòna fiara maromaro ny kamiao miaramila Amerikana. Andeha hojerentsika izay lazain'ny bilaogera momba ity zava-nitranga ity.

Mpanao Gazety Tratran'ny Fanerena & Krizy Nokleary

Nilaza i Saminejad’, mpisolovava sady bilaogera voafonja fa nolavin'ny fitsarana ny fampakaran'izy ireo ny raharaha any amin'ny fitsarana ambony ary tokony higadra mandritra ny folo volana izy. Namoaka izany vaovao izany ny ISNA, Sampan-draharaham-pirenen'ny Mpianatra Iraniana.

Manamora Ny Fanafoanana Ireo Vondrona Mahery Fihetsika Ny Lalàna Indoneziana, Saingy Mety Hanohintohina Ny Fahalalahana Sivily

Misy fomba maro ho an'ny governemanta Indoneziana mba hiadiana amin'ny mahery fihetsika sy hiarovana ny firaisana ara-tsosialy. Tsy ny fanesorana ny fiarovana ara-pitsarana lehibe rehetra momba ny fahalalahana ara-pikambanana no fomba hanaovana izany.

Tonizia: Mitohy Ny Sit-In Manohitra ny Governemanta Vonjimaika

Taorian'ny revolisiona vao haingana tao Tonizia, mbola marefo sy atahorana ny toe-draharaha ara-politika ao amin'ny firenena, satria miditra amin'ny andro fahaefatra manaraka ny sit-in ataon'ireo mpanao hetsi-panoherana ao amin'ny kianjan'i Kasbah eo akaikin'ny tranoben'ny governemanta ao an-drenivohitra Tunis.

(Tamin'ny) Fampitsaharan'Asan'ny Filohan'i Filipina

Olom-pirenena 200 mahery no nametraka fitoriana hanongana ny filohan'i Filipina, Gloria Macapagal-Arroyo. Bantay Impeachment 2 manome fanavaozam-baovao momba izany. Azo vakiana eto ihany koa ny lahatsoratra feno momba ny fitarainana.

Atleta, Politisiana Manohana ireo Zeorziàna Milalao Baolina Kitra Manaiky Ny Zon'ny LGBT (Pelaka )

“Mbola lavitry ny afo ny kitay, saingy efa mahita fiovàna aho,” hoy ny mponina iray ao Tbilisi naneho hevitra

Mitolona Hitatitra ny Hetsika Hirak ireo Maraokàna Mpanao Gazety, Na Eo Aza Ny Fandrahonan'ny Fanjakàna

Misedra teritery samihafa ireo mpanao gazety mitatitra ireo hetsipanoherana Hirak.

Rosia: “Ny Diaben'ny Mpanohitra”

Araka ny tati-baovao, olona maherin'ny 2.000 no niseho tao amin'ny hetsi-panoherana "tsy fahita firy" manohitra ny governemanta tao Moskoa .....