Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Septambra, 2017

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Septambra, 2017

Seho Faha-4 an'ny Global Voices

Ato anatin'ity andiany ity, asongadinay ireo ampahany avy aminà mozika isankarazany nohavaozina

Mpanao Gazety Voampanga ho Nanala-baraka Noho Ny Fampitahana Ny Fitondran'ny Indoneziana Ny Papoaziana Tandrefana Amin'ny Rohingya Any Myanmar

Namoaka ny fanehoan-keviny tao amin'ny Facebook i Dandhy taorian'ny fihetsiketsehana goavana nokarakarain'ny vondrona Miozolomana ao Indonezia, manameloka ny governemantan'i Myanmar noho ny fitondrany ireo mpitsoa-ponenana Rohingya.

Nidina An-dalambe Ireo Indiana An'arivony Mitady Ny Rariny Momba Ny Famonoana Ilay Mpanao Gazety Gauri Lankesh

"Tsy dia fahita firy ny fotoanan'ny fampihorohoroana novolena sy niniana natao ary ny fankahalàna tahaka izao. Mijoro manohitra ny milina fankahalàna lehibe indrindra isika."

Fitroarana sy Tahotra Tao Timor Atsinanana

Fanararaotana isian'ny korontana fotsiny ve?

Belarus: Fanohanana Ho An'ireo Mpitarika Mpanohitra Nogadraina

Tovovavy iray no nosamborina raha nijoro teo ivelan'ny cybercafe iray teo akaikin'ny Kianjan'ny Oktobra tamin'ny Alatsinainy, nandritra ny fananganana toby lay. Navotsotra izy telo andro taorian'izay, ary niverina tany amin'ny rindrin'ny fonja ny zoma mba hizara ireo taratasy nalainy avy amin'ireo gadra hafa tamin'izy navoaka. "

Zimbaboe: Tsiaro Ny Murambatsvina

Ny 18 Mey 2005,  nanomboka ny fandrodanana tanteraka izay heverina ho trano fonenana tsy ara-dalàna ny polisy tao Harare. Ankoatra ireo mpivarotra eny an-dalambe, eny fa na dia ireo izay mivarotra ara-dalàna  aza dia nosamborina sy nampandoavina lamandy, ary nalaina ny entany sy ny fananany .

Libanona: Lohahevitra Maro Anaty Fehezana Iray

Mahita aho fa na dia manaiky aza ny olona tsirairay hoe manahirana ny zava-drehetra ary miaina izany avokoa na aiza na aiza toerana aleha, raha ny marina dia tsapa fa tsy mitovy mihitsy ny fomba fijerin'ny olona ny "tena antony mahatonga" ny fifandirana.

Singapaoreana Miatrika Famotoran'ny Polisy Rehefa Avy Nanatrika Fiaretan-tory Ho An'ilay Mpiasa Mpifindra Monina Notapahan-doha

Raha heverina fa fivoriana tsy ara-dalàna mendrika ataon'ny polisy famotorana ny fiaretan-tory tsotra tsy misy herisetra sy mangina ho an'ny lehilahy homelohin'ny fanjakana ho faty, angamba fotoana izao hieritreretana raha mahita fifandanjana tsara eo amin'ny filaminam-bahoaka, fahalalahana mivorivory sy ny fangorahana isika.

Vaovao Farany Ao Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Poloney

Efa nanontany tena ve ianao hoe andro inona eo amin'ny fiainan'ny olona iray monina any Polonina no mitovy amin'ny lahatsary maharitra 10 minitra? Tsy nahafantatra koa aho raha tsy tonga tany Polonina.

Ireo Biloagera Miteny Frantsay Miresaka Ny Oscars Sy Ny Césars

Tsy isalasalàna fa misy zavatra mitranga amin'izao fotoana ao Hollywood tato anatin'ny taona vitsivitsy : mitodika misimisy kokoa mankany Afrika ny mason'ireo mpamokatra.