Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2017

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Aogositra, 2017

23 Aogositra 2017

Fahatsiarovana An'ilay Teratany Amerikana, Lehman Brightman, Mpisava Lalana Mikasika Ireo Zon'ny Sivily

Ny Tetezana - The Bridge

Brightman no endrika iray fanta-bahoaka tamin'ireo hetsika manandanja mikasika ny fanoheran'ny Teratany Amerikana, anisan'izany ny fakàna ny Nosy Alcatraz sy ny fibodoana ny Mount Rushmore.

22 Aogositra 2017

Manao Diabe Manohitra Ny Herisetra I Meksika

Leo ny herisetra sy ny tsy fandriampahalemana tsy mitsaha-mitombo izay atrehin'ny firenen'izy ireo tamin'ny taon-dasa teo ireo Meksikana ary nanapa-kevitra ny hanao diabe mangina miaraka amin'ny hiram-pirenena sy ny labozia mirehitra manerana ny firenena sy any amin'ny toerana hafa...

21 Aogositra 2017

Nanameloka Ny Polisy Noho Ny Fisamborana Tsy Ara-dalàna Sy Ny Fanagiazana Boky I Zunar, Mpanao Sariitatra Politika Maleziana

GV Mpisolovava

"Azonareo atao ny mandràra ny bokiko, azonareo atao ny mandràra ireo sariitatrako, kanefa tsy afaka mandràra ny saiko ianareo. Hotohizako hatrany ny sariko mandra-pahatapitry ny ranomaintiko."

Shina:  Nihazona Saina Manoloana Ny Kianja Olaimpika Ny Mpanao Fihetsiketsehana Tibetana

Mbola miandry ny antsipirihany bebe kokoa, kanefa ao an-toerana ny bilaogeran-dahatsary Qik.com Noel Hidalgo ary manome fanavaozam-baovao amin'ny alàlan'ny Twitter. Ity misy lahatsary iray izay nalainy minitra vitsy teo aloha tsy lavitra ny tranom-borona Olaimpika :

20 Aogositra 2017

Mitaky Ny Famotsorana Ilay Mpikatroka Mpiaro Ny Zon'ny Fananan-tany Kambodziana Tep Vanny Ny Fikambanana ONG Manerantany

"Na dia aty am-ponja aza aho sady asiana rojovy ny tànako ary manao fanamian'ny gadra, ny zavamisy dia tsy manantsiny aho."

17 Aogositra 2017

Mahay Mandihy Ry Zareo Tahitiana!

Fanehoana mahalaza tsara ny endrka vohitra nentindrazana tahitiana i Tiki Village (Vohitr'i Tiki), toerana ahafahan'ireo mpizahatany manatrika fampisehoana zavakanto isankarazany : tombokavatsa, mozika ary mazava loatra, ny dihy

16 Aogositra 2017

Arzantina: Nilahatra Ireo Mpianatra Hitakiana Sekoly Manara-penitra Kokoa

Ao amin'ny faritanin'i Rio Negro akaikin'ny tanàndehiben'i General Roca, nangataka ny governemanta mba hanatanteraka ny fampanantenany sy hamaha ny olana misy ao amin'ny sekoly ny mpianatra ao amin'ny lisea laharana faha 106.

14 Aogositra 2017

Fianakaviana An'arivony No Terena Hiala Ny Tranony Noho Ny Tohodrano Sardar Sarovar Ao India

Mandroso amin'ny fanokanana ny tohodrano mampiady hevitra ny manampahefana Indiana, ary fianakaviana an'arivony maro no nandà tsy handao ny tranony ao amin'ny faritra izay ho dibo-drano ka tsy maintsy terena roahina.

13 Aogositra 2017

Ao Venezoela, Tantara Tsangana (Teatra) Atao Ho Fitaovana Iray Entina Hanoherana

Miverina amin'ny fiaviany ny teatra amin'ny alalan'ny firesahana ny fiainan'ny tanàna, ary miady mafy mba hisy lanjany ao Venezoela.

Kurdistance: Vaovao Farany Momba Ny Tetikasa ONG

Ok, angamba ratsy fipetraka ny lohateny ny lahatsoratra androany, saingy milaza ny tetikasa ONG ireo mpaneho hevitra rehetra... ary hanome rohy fanampiny mikasika ireo tetikasa hafa ONG Kiorda ho anao ihany koa aho.