Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2016

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Novambra, 2016

Ao Amin'ny Amerika Vaovaon'I Trump, Hanorina Ny Rindrin'ny Fitserana i San Francisco

Tafa sy dinika tamin'ny iray amin'ireo mpikarakara ao ambadiky ny tetikasa fiaraha-miasa "Rindrin'ny Fitserana" any San Francisco, izay manome fitsaboana faobe taorian'ny fotoan'ny fifidianana izay nampisara-bazana sy nampifanenjana.

Misy Maodelinà Hafatra Sandoka Alefa Ao Amin'ny Facebook, Ampiasaina ho Fialantsiny Hanafihana Ireo Hindo any Bangladesh

Mitohy any Bangladesh ny maodelinà herisetra mampivarahontsana ikendrena ireo vondrom-piarahamonina Hindo sy ireo hafa vitsy an'isa.

Taorian'ny Hetsi-Panoherana Mahery Setra Niarahan'ireo 200 000 Tany Indonezia, Manaraka ny Fanontaniana Momba Ny Fiarovana Ny Finoana Silamo

Nivadika ho herisetra ilay famoriambahoaka nokarakarain'ny Fikambanan'ny Mpiaro ny Finoana Islamika ary maro no nampitaha ny korontana tamin'ny hetsika izay nanozongozona an'i Jakarta, renivohitry ny firenena, tamin'ny 1998.

‘Mihotakotaka ny Tany’ no Antony Nisamboran'ny Manampahefana Ethiopiana an'i Befeqadu Bilaogeran'ny Zone9

Nolazaina tamin'i Hailu fa noho ny antsafa nataony tao amin'ny Voice of America amin'ny teny Amharika momba ny fahalatsahan'ny firenena ankaterena ao Ethiopia no nisamborana azy.

Matory na Maty – Ampahany 1: “Toa Mihiaka Fahafatesana ny Zavatra Rehetra”

"Nandalo ny vatako ny herinaratra. Herinaratra ampy hamatsiana ny mpiray vodirindrina amiko manontolo no nandalo ny vatako. Ny vatako nitafy tapaka nitsirara eo amin'ny gorodona dia tena mpampita herinaratra tsara mihitsy."

Notànana Vonjimaika Ny Mpanao Lahatsary Iray Ao Frantsa, Misongadina ny Fomba Hafahafa Ampiasan'i Frantsa Ny Fahamehana

Voahelingelina amin'ny asany amin'ny tsy fahazoana miditra ao Calais intsony ny mpanorina ny tranonkala Taranis News, tranonkala miompana manokana amin'ny lahatsary mivoaka avy amin'ireo fihetsiketseham-panoherana misy ao Frantsa.

Matory na Maty – Fizaràna faha-2: “Ny Palitao Mangan'i Aghyad”

"Nosintoniny ny rojo mandra-pihantonay tamin'ny tananay, zara raha mikasika ny tany ny rantsan-tongotra. Mihevaheva eo anelanelan'ny tany sy ny lanitra ianareo, aseho toa sorona ho alatsa-drà."

‘Tsia’ Ho An'ny Lalàna Hijab Ao Iràna Hoy Ilay Indiana Mpitifitra, Heena Sidhu, ary Mitambatra Aoriany Ireo Tambajotra Sosialy

"Niala tsy hiady ny Tompondakan'ny Poleta Rivotra Aziatika ao Iràna noho ny lalàna tsy maintsy arahina mikasika ny hijab i Heena Sidhu. Lalàna adaladala. Ary, hetsika feno herim-po''

Averin'i Kehinde Wiley Sainina Ireo Sary Tranainy Satria ‘Raha Misy Dikany ny Ain'ny Mainty, Mendrika Ho Hita Amin'ny Sary Hosodoko izy Ireny’

Heverin'i Kehinde Wiley fa ny taokanto, ao anatin'ny hatsaràny, dia manasongadina ny isika ho toy ny soatoavina maha-olombelona. Izany no mahatonga ireo olona hafa volonkoditra (mainty sy zarazara) ho ivon'ireo sary ataony.

Miatrika Fotoana Fohy Ny Fitondràna Etiopiana Satria Mikarakara Ny Ho Avy ny Zanaka Ampielezana

Raha mihinana tsimoramora ny rafitra fototra ara-politika sy ara-toekarenan'i Etiopia ireo hetsi-panoherana, hita ho mitsingilahila tsy nisy ohatra izany ny fitondràna.