Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Marsa, 2016
Fandikàna Iray Isaky Ny Mandeha, Tian'ity Mpanoratra Sady Mpiakatroka Ity Havotana Ny Fahalalàn'ny Tandrefana An'i Rosia
Amin'ny alàlan'ny bilaoginy, ezahan'ilay mpandika lahatsoratra, Thomas Campbell, ny hanentsina ny banga. Ny herinandro talohan'ny 18 Febroary, nitsidika ny Anjerimanontolon'i New York i Campbell, ka tany no namaritany ny zavatra niainany tamin'ny fitantanana ny tranonkalany sy ny fanarahana maso ny tontolon'ny bilaogy Rosiana.
Takian'ny Makedoniana Mpanao Hetsi-panoherana Ny Hialan'Ireo Mpitsara Avo Momba ny Lalàmpanorenana “Voaloto”
"Mamono ny Demaokrasia amin'ny fotony ny famotsoran-keloka ho an'ny hoso-pifidianana! Mandra-pahoviana no hanafoanany tanteraka ny tenany?"
Tsy Misy Firenena Ho An'ireo Ankizy Tsy Manana Ray ao Bhutan
Ny lalàna henjana ao Bhutan momba ny zompirenena, dia tsy nanao zavatra betsaka hanosehana ny fiadanana amin'izao androntsika izao, satria noho ireo lalàna maro ao Bhutan dia an'arivony maro ireo ankizy Nepale nilaozan'ny rainy no nanjary olona tsy manana firenena niaviana.
Mpanakanto Mpanao Sary Mandefa Fanentanana Ety Anaty Aterineto Ho ‘Fanafahana Ny Media’ Ao Malezia
"Tsapanay fa tonga izao ny fotoana ho an'ny Maleziana mba hitakiana ny fahalalahan'ny media sy ny aterineto, raha jerena tamin'ireo fanafihana faramparany nanjo ny fahalalahana maneho hevitra eto Malezia."
Mbola Hijanona Ho Mora Mitselatra Ihany Ve Ny Fiarahamonina Armeniana?
"Noho ny #ElectricYerevan hitantsika fa misy ireo fomba hafa tsaratsara kokoa azo atao. Dingana iray lehibe voalohany iny."
Any Bahrain, Heloka Bevava Ny Asa Fanaovana Gazety
Voasambotra niaraka tamin'ireo ekipany i Anna Therese Day, Amerikana mpanao gazety, ary voaroaka tao amin'ilay firenena mikorontana raha teo am-pankalazàna ny tsingerintaona fahadimin'ny hetsika io firenena io.