Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Desambra, 2015

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Desambra, 2015

Nahoana No Nanapaka Ny Arabe Ireo Sofina Goavambe? Mba Hanohitra Ny Fanarahamason'ny Fanjakana Ao Makedonia

Ilay fahainoana ara-elektronika atao hoe "baomba" navoakan'ireo lehiben'ny antoko mpanohitra efa ho iray taona lasa izay, no namboraka fa noraisina antsokosoko anaty rakipeo ny seraseran'ireo olona maherin'ny 20.000 tany Makedonia.

Lehilahy Ekoetoriana Niatrika Famonjàna 18 Volana Noho Ny Nitehafany Tamin'ny Fihetsiketsehana Iray

Na naseho aza ny porofo hoe nitehaka fotsiny izy tamin'io andro io, nosaziana 18 volana an-tranomaizina ilay olom-pirenena Ekoatoriana, nolazaina hoe niray tsikombakomba tamin'ilay fanafihana natao tamin'ny fahitalavi-panjakana ao Ekoatora.

Manao Teatira Ara-politika Amin'ny Resaka Kolikoly Ve Ilay Governemanta Misokatra?

Io izy mitsangana miresaka momba ny maha zava-dehibe ny fangaraharàna, ny fisokafana, ary ny teknolojia ho an'ny governemanta. Avy eo herinandro aorian'izany, nametraka fialàna amin'ny maha praiminisitr'i Romania azy izy.

Ao Malayzia, Ny fiandrasan'ny zanany vavy iray ela dia ela ny fiverenan'ny rainy

Raha nanagadra an'i Anwar Ibrahim ny governemanta Malayziana, dia tsy ny lalany ara-politikany ihany no nesorina taminy fa ilay maha raibe, ray ary vady azy ihany koa.